Hankany amin'ny vontoatiny

Skeptisisma (filôzôfia)

Avy amin'i Wikipedia

Ny skeptisisma dia toe-tsaina filôzôfika mametra-panontaniana na fisalasalana manoloana ny fanambaràna fahalalana izay heverina ho finoana tsotra na dôgma fotsiny ihany. Tany am-piandohana, ny skeptisisma, izay antsoina koa hoe pirônisma, dia filôzôfia sy fomba fiasa grika fahiny izay mampitaha sy mampifanohitra ny zava-drehetra mba hahazoana fitonian' ny fanahy (ἀταραξία / ataraxía "fitoniana" sy ψυχή / psukhḗ "fanahy"). Milaza ny skeptika pirôniana (mpanaraka ny filôzôfian' i Pirôna avy any Elisy (Πύρρων / Pýrrhôn)) fa tsy misy na ny marina na ny diso, na ny sady marina sy diso, ary na ny fehezanteny farany ity aza, satria mifanohitra anatiny.