Sina Lehibe
I Sina Lehibe, araka ny etnôjeôgrafia, dia faritra miovaova famaritana, izay misy fifamatorana ara-kolontsaina sy ara-toekarena amin' ny vahoaka sinoa. Matetika ampiasain' ny orinasa na fikambanana iraisam-pirenena amin' ny fomba tsy ôfisialy io andian-teny io. Tsy mazava fivelarana ara-jeôgrafian' ity faritra ity sy ny fiantraikany ara-pôlitika sy ara-toekarena, satria mampiasa azy mba hanondroana ny fifandraisana ara-barotra eo amin' ny samy Sinoa ara-poko ny olona sasany, fa liana kokoa amin' ny fifandraisana ara-kolontsaina kosa ny hafa, ary ny hafa amin' ny fitsinjovana ny fampiraisana ara-pôlitika. Mahafaoka ny fifandraisana eo amin' ny vahoaka sinoa any amin' ny faritra samihafa io teny io, saingy matetika izy io dia manondro faritra mahafaoka ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina (Sina an-tanibe sy i Hong Kong ary i Macau) sy ny Repoblikan' i Sina (fantatra amin' ny anarana hoe Taiwan), izay toerana misy ny ankamaroan' ny vahoaka sinoa ara-kolontsaina. Mety hitanisa ihany koa ny toerana izay ahitana Sinoa betsaka toa an' i Singaporo ny mpandinika sasany.
Misy manohitra ny fampiasana io andian-teny io; ny mpandinika sasany ao Taiwan dia mihevitra an' ioandian-teny io ho manimba na ho fifangaroana fitondrana pôlitika sy tsena samihafa, fa ny governemanta sinoa kosa nisoroka izany mba hanamaivanana ny tahotra ny fanitarana ara-toekarena, na mba hialana amin' ny filazana fa mitovy tantana i Taiwan sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Nasehon' i Wang Gungwu, manam-pahaizana aostraliana momba ny sivilizasiôna sinoa, ho "angano" sy "diso" ilay voan-kevitra raha ampiharina amin' ny vondrom-piarahamonina sinoa any ivelan' ny ranomasina.