Simon Kimbangu

Avy amin'i Wikipedia

I Simon Kimbangu dia teraka tao Nkamba tamin' ny 12 Septambra 1887 tao Kongo Central. Lasa mpitoriteny izy tamin' ireo taona 1920 sady nanorina fikambanana ara-pivavahana tamin' ny taona 1921 tao Nkamba izay niteraka ny kimbangisma. Maty tamin' ny 12 Oktobra 1951 tao Elisabethville (Lubumbashi ankehitriny) izy. Mihevitra azy ho "iraka ara-panahy" kôngôley ny mpanaraka fivavahana ny naoriny. Lasa mpitoriteny izy tamin' ireo taona 1920 sady nanorina ny fihetsiketsehana ara-pivavahana izay niteraka ny kimbangisma izy tamin' ny taona 1921 tao Nkamba. Nosamborina sy nnotsaraina izy ka maty rehefa nogadraina nandritra ny fotoana ela maharitra 30 taona any ho any.

Ny asa nataony dia niteraka ny fiangonana kimbangista teo amin' ny sehatry ny fivavahana, izay mbola misy hatramin' izao fotoana izao. Izany dia niteraka koa ny fipoiran' ny fihetsiketseham-panoherana ara-pôlitika nenti-nanohitra ny fanjanahan-tany.

Tamin' ny nahafatesan' i Simon Kimbangu dia ny zanany lahy Joseph Diangienda no lasa mpitarika ilay fiangonana hatramin' ny taona 1992, ka i Paul Salomon Dialungana Kiangani rahalahin' ity indray no nitarika ny fiangonana hatramin' ny taona 2001, avy eo i Simon Kimbangu Kiangani zafikeliny no niolo an' io indray.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]