Hankany amin'ny vontoatiny

Simiiformes

Avy amin'i Wikipedia
Simiiformes

Ny Simiiformes na rajako dia zafim-pilaharana ao amin' ny Primates. Vondrona rahavaviny ny Tarsiformes, izay ivahany noho ny lakatomasony mihidy ao aoriana, ary izy roa ireo miaraka dia mamorona ny zana-pilaharana Haplorrhini. Matetika koa ny Simiiformes dia manana tarehy tsy misy volo ary manana atidoha somary mivoatra kokoa noho ny Tarsiformes sy ny Strepsirrhini, zana-pilaharana rahavavin' ny Haplorrhini.

Ny Simiiformes dia mizara ho vondrona lehibe roa mifototra amin' ny faritra eto amin' izao tontolo izao itsinjarana ny toerana misy azy: rajakon' ny Tontolo Taloha na Catarrhini (Azia, Afrika) sy ny rajakon' ny Tontolo Vaovao na Platyrrhini (Amerika), saingy miavaka amin' ny fahasamihafana ara-batana sy ny fototarazo azo tamin' ny efapolo tapitrisa taona lasa izay (faran' ny vanim-potoana Eôsena). Ny voalohany dia ahitana ny reni-fianakaviana Hominoidea, fantatra ihany koa amin' ny hoe "rajako lehibe", izay misy ny olombelona (Homo sapiens).

Hita tany Azia Atsinanana (Birmania, Tailandy, Sina) ny rajako fôsily tranainy indrindra, 45 tapitrisa taona lasa izay. Efa 40 tapitrisa taona teo ho eo izay no tonga tany Afrika ny rajako.

Inty ny lisitry ny fianakavian-drajako ankehitriny araka ny HMW (2013):

  • Catarrhini:
    • Cercopithecoidea Gray, 1821:
      • Cercopithecidae Gray, 1821
    • Hominoidea Gray, 1825:
  • Platyrrhini:
    • Pitheciidae Mivart, 1865
    • Atelidae Gray, 1825
    • Aotidae Elliot, 1913
    • Cebidae Savage, 1951 (?)
    • Callitrichidae Gray, 1821 (?)

Jereko koa

[hanova | hanova ny fango]