Simôniana
Fiseho
Ny simônisma dia fampianarana tamin' ny taonjato faha-2, izay anisan' ny hetsika gnôstika sy paleôkristianina naorin' i Simôna Magy na Simôna Majy. Niroborobo ilay sekta tany Siria sy tany amin' ny faritra samihafa tany Azia Minora ary tany Rôma. Tamin' ny taonjato faha-3 dia mbola nisy sisa tavela tamin' izany sekta izany, izay mbola velona hatramin' ny taonjato faha-4. Nino ny Simôniana fa i Simôna dia Andriamanitra naka endrik' olombelona.
Ny simônia
[hanova | hanova ny fango]Nantsoin' ny Eglizy Katôlika hoe "simônia" ny fifanakalozan-javatra ara-pivavahana amin' ny entam-barotra ara-nofo, araka ny tantaran' i Simôna Majy voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly, satria te hividy fitaovana (ny herin' ny Fanahy Masina) hanaovana fahagagana i Simôna mba hahazoana vola.