Simôna Bar Kôkba

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sarin' i Simôna Bar Kôkba

I Simôna Bar Kôkba dia lehilahy mpitarika ny fikomian’ ny Jiosy tamin’ ny Rômana teo anelanelan’ ny taona 132 sy 135.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny arameana ny anarany dia atao hoe שמעון בר כוכבא / Shimon bar Kokhba izay midika hoe "Simôna zanaky ny kintana".

Tantarany[hanova | hanova ny fango]

Sarin'i Simona Bar Kokba, eo amin'ny Knesset Menorah ao Jerusalem

Tamin’ izany fotona izany dia niezaka ny hampanjaka ny kolontsana romana tao Jodea ny emperora Hadriano (latina: Publius Aelius Hadrianus Augustus) ka tsy namela ny Jiosy hiditra ao Jerosalema afa-tsy indray andro isan-taona, ary nandrara azy ireo tsy hanao famorana. Raikitra noho izany ny fikomian’ ny Jiosy. I Bar Kôkba no nitarika izany fikomiana izany, izay notohanan’ ny iray amin’ ireo raby nankatoavin-teny indrindra tamin’ izany, dia i Akiva ben Josefa, izay nanambara azy ho Mesia (hebreo: מָשִׁיחַ‎ / māshîaḥ) nalefan’ Andriamanitra hamerina indray ny fanjakan’ i Israely sy hanjaka amim-pahamarinana amin’ ny olombelona rehetra.

Vola volafotsy amin'ny anaran'i Bar Kokba

Nanangona tafika lehibe i Bar Kokba, izay nahitana Jiosy avy ao Jodea sy avy amin’ny firenena hafa ny Atsinanana. Nandresy ny tafika romana i Bar Kokba sady naka an’i Jerosalema sy tanan-dehibe dimampolo eo ho eo ary tanàna madinika maro koa.

Ny toerana nisy an'i Betara

Nanangana tafika vaovao indray i Hadriano nefa mbola ravan’ ny tafik’ i Bar Kôkba izany. Noho izany dia niantso mpitari-tafika mahay i Hadriano, dia i Jolio Severo (latina: Sextus Julius Severus), izay niady nandritra ny andro maro ka nanapitra ny fikomiana jiosy tao amin’ ny famaharana Betàra (hebreo: בֵּיתַּר / Bethar) ao akaikin’ i Jerosalema izy tamin’ ny volana Aogositra 135. Tamin’ izany no nahafatesan’ i Bar Kôkba.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]