Hankany amin'ny vontoatiny

Siketriala

Avy amin'i Wikipedia
Siketriala ao Ankarafantsika
vehivavy

Ny siketriala na patsatsatra dia karazam-boronkely anisan' ny fianakaviana Vangidae. Schetba rufa ny anarany ara-tsiansa. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ity vorona ity: ny zana-karazana Schetba rufa rufa dia miparitaka any atsinanana manomboka any Andapa ka hatrany Tolagnaro (matetika any amin' ny tapany avaratra ary tsy fahita any amin' ny tapany atsimo) fa ny zana-karazana Schetba rufa occidentalis dia hita any andrefana manomboka amin' ny alan' Ankarafantsika ka hatrany Sakaraha (fahita matetika). Io no hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Schetba.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]