Seychelles
Repiblik Sesel {{#if}} | |||||
République des Seychelles fr | |||||
Republic of Seychelles en | |||||
Repoblikan'i Seychelles ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : « Finis coronat opus » (Ny farany no mandravaka ny asa) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | kreolin'i Seychelles, anglisy, frantsay | ||||
Renivohitra | Victoria 4°37′S, 55°27′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Victoria | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Danny Faure | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 179 455 km² Azo tsy rarahina | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 182 82 247 mpo. 181 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Seychellois | ||||
IDH (2004) | ▲ 0,842 (ambony) faha 47 | ||||
Sandam-bola | Ropia (SCR )
| ||||
Faritr'ora | UTC +4 | ||||
Hiram-pirenena | Koste Seselwa | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+248
|
Seychelles dia tamba-nosy ahitana nosy miisa 115 ao amin'ny ranomasimbe Indiana, ao atsimo-atsinanan'ny kontinenta afrikana, (1600 km avy eo Kenya), ary ao avaratra-atsinanan'i Madagasikara.
Mitambatra ho firenena ireo nosy kely ireo ary ao amin'ny nosy Mahé no misy an'i Victoria renivohitra.
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Misy nosy 42 - ireo nosy any anatiny - mahasahana ny 45%-n'ny velaran-tany manontolo (244 km²), saingy mahafaoka ao anatiny ny 98%-n'ny mponina ao Seychelles.
Ao koa ireo nosy granitika 40 izay saika manodidina ny nosy Mahé avokoa. Feno harambato ny ankamaroany ary tery ny morontsirak'ireo nosy ireo. Ny lehibe indrindra amin'izy ireo dia :
- Mahé, ny lehibe indrindra, manana velarana 142 km² ary ao no misy ny renivohitra Victoria.
- ny nosy Praslin
- ny nosy Silhouette ,
- ny nosy La Digue,
- ny nosy Frégate,
- ny nosy Curieuse,
- ny nosy Île du Nord,
Ao koa ireo nosy roa any avaratra dia :
- ny nosy Île aux oiseaux
- sy ny nosy Île de Denis
Tantara[hanova | hanova ny fango]
Mponina[hanova | hanova ny fango]
Tsy nisy ny tena mponina tompon-tany tao Seychelles. Taranaky ny mpifindra monina eoropeana, sinoa, indiana ary afrikana ny ankabeazany. Ny finoana kristiana, indrindra indrindra katolika no arahin'ny ankamaroan'ny mponina.
Toe-karena[hanova | hanova ny fango]
Ny fizahan-tany no tena iankinan'ny toe-karena ao Seychelles.
Mandroso be ihany koa ny fanjonoana amin'ny fomba maoderina ; Port-Victoria no isan'ny seranana lehibe amin'ny fanondranana trondro ao amin'ny ranomasimbe Indiana. Misy ao an-toerana ny ozinina mpanao ny trondro amin'ny boaty.
Ireo distrika[hanova | hanova ny fango]
Seychelles dia ahitana distrika 23.
- Anse aux Pins
- Anse Boileau
- Anse Étoile
- Anse Louis
- Anse Royale
- Baie Lazare
- Baie Sainte-Anne
- Beau Vallon
- Bel Air
- Bel Ombre
- Cascade
- Glacis
- Grand' Anse
- Grand' Anse
- La Digue
- La Rivière Anglaise
- Mont Buxton
- Mont Fleuri
- Plaisance
- Pointe La Rue
- Port Glaud
- Saint-Louis
- Takamaka
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- ((fr)) sokajy Seychelles ao amin'ny dmoz
- ((fr)) http://www.tlfq.ulaval.ca/axl/afrique/seychel.htm
- ((fr)) Saritanin'i Seychelles