Selolôzy

Ny selolôzy na selilôzy dia gliosida voaforon' ny rojo môlekiola D-gliokôzy (miisa eo anelanelan' ny 15 sy 15 000). Io biôpôlimera io no singa fototra ao amin' ny rindrin-tselan' ny zavamaniry, ao anatin' izany ny hazo (izay miavaka noho ny fisiazn' ny lininina betsaka ihany koa). Ny selolôzy dia 35 hatramin' ny 50 % amin' ny biômasin' ny zavamaniry an-tanety, eo alohan' ny hemiselolôzy (30 hatramin' ny 45 %) sy lininina (15 hatramin' ny 25 %), ka mahatonga ny fianakaviana voalohany amin' ny haro araka ny filaharan' ny habetsahana ao amin' ny zavamaniry sy ny ao amin' ny rafi-tontolo iainana an-tanety izay anjakan' ny biômasin' ny zavamaniry maty na velona.
Ny selolôlizy dia manondro ny hidrôlizy mahazo ny fatoran' ny selolô amin' ny alalan' ny anzima selolôlitika.