Selenicereus triangularis

Ny Selenicereus triangularis dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Cactaceae (karazana raketa). Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe fakantsilo na fakatsilo na tsiloteloriana. Anarana ara-tsiansa nahafantarana teo aloha ny hoe Hylocereus triangularis na Cereus triangularis.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Taho
[hanova | hanova ny fango]
Mazàna maniry amin' ny endrika vahy mianika sy mandady ny Selenicereus triangularis (L.) D.R.Hunt. Manana savaivony 3 hatramin' ny 4 sm ny sampany telozoro maranitra sy misy faka maro ivelan' ny tany.
Ny rirany dia mahitsy na somary mivohitra manodidina ny areôla ary tsy misy keratina ao ambadika. Enina ka hatramin' ny valo ny tsilo fohy toy ny fanjaitra mipoitra avy amin' ny areôla, izay matevina eo amin' ny fotony.
Vony sy voa
[hanova | hanova ny fango]Ny voniny fotsy dia mahatratra halava 20 sm (na mihoatra). Mifanindry toy ny tafo kapila ny hodiny. Ny voany mena manana halava 2 hatramin' ny 5 sm dia azo hanina.
Faritra sy toerana aniriany
[hanova | hanova ny fango]Ny Selenicereus triangularis dia miely patrana any Kiobà, any Jamaika, any amin' ny Repoblika Dôminikanina ary any Haity. Io karazana io dia voatanisa ho "Least Concern (LC)" ao amin' ny Lisitra Menan' ny IUCN, izany hoe tsy atahorana ho lany tamingana.
Taksônômia
[hanova | hanova ny fango]
Ny famariparitana voalohany ny Selenicereus triangularis (L.) D.R.Hunt, 2017 amin' ny anarana hoe Cactus triangularis dia navoakan' i Carl von Linné tamin' ny taona 1753. I David Richard Hunt no nametraka an' io karazana io ao amin' ny antoko Selenicereus tamin' ny taona 2017. Anarana nahafantarana azy koa ny hoe Cereus triangularis (L.) Haw. (1812) sy Hylocereus triangularis (L.) Britton & Rose (1909).
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ambolena hahazoana ny voany izay azo hanina ny Selenicereus triangularis ary ampiasaina indraindray ho "fefy velona".