Filôzôfia Fahefatra (jodaisma)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Sekta fahefatra (jodaisma))
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny Filôzôfia Fahefatra na Sekta Fahefatra na Fikambanan' i Jodasy Galileana dia anarana nomen' i Flavio Jôsefa ny fihetsiketsehana na fikambanana noforonin' i Jodasy Galileana tamin' ny andron' ny fikomiana nataon' ny Jiosy (taona 66 taor. J.K.) hanoherana ny fanisam-bahoaka nampanaovin' i Kirinio tamin' ny taona 6 taor. J.K. raha lasa faritanin' i Jodea (na Jodia) fehezin' ny Rômana mivantana ny faritra notapahin' i Herôda Arkelaôsy.

I Jodasy Galileana no mpitarika ny Jiosy mpikomy tao Galilea (na Galilia) sy tao Jodea tamin' ny nahalasa faritany rômana an' i Jodea.

Ny Filôzôfia Fahefatra dia manizingizina ny amin' ny atao hoe fahafahana sy ny atao hoe fanjakana tsy refesi-mandidin' ny Andriamanitr' i Israely ary manandratra avo ny fanidrahindran-tanindrazana (nasiônalisma) sy ny fiandrasana ny fanafahana amin' ny andro farany hataon' Andriamanitra (fanafahana eskatôlôjika). Ny tapany farany tamin' ny fotoana nisehoan' ny fikomian' ny Jiosy dia fanoherana hiarovana ny toby famaharana Masada notarihin' i Eleazara zanak' i Jairo, izay zafikelin' i Jodasy Galileana (taona 74).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]

Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]