Hankany amin'ny vontoatiny

Seiena (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
I Wolf Robe

Ny Seienina dia vahoaka amerindianina teratany ao amin' ny Lemaka Lehibe (anglisy: Great Plains na Grassland), mpihavana akaiky amin' ny Arapahô ary amin' ny ankapobeny dia mpihavana amin' ny Lakôta (ao amin' ny foko Sio). Iray amin' ny fokom-pirenena malaza sy lehibe indrindra ao amin' ny Indianan' ny Lemaka izy ireo.

Ny vahoaka Seienina dia firaisan' ny foko roa, ny Tsitsista sy ny Sôtaeô. Tafiditra ao anatin’ izany ny tarika folo, izay nanana tany niitatra manerana ny Great Plains, nanomboka any amin’ ny faritra atsimo amin’ i Colorado ka hatrany amin’ ny Black Hills any Dakota Atsimo. Tany am-piandohan’ ny taonjato faha-19 dia nicvaky roa ilay foko: ny atsimo nitoetra teo akaikin’ ny Platte River fa ny avaratra nipetraka teo akaikin’ ny Black Hills, akaikin’ ireo foko Lakôta.

Ny Seienina any Montana sy any Oklahoma dia samy niteny ny fiteny seienina, miaraka amin' ny singam-boambolana vitsivitsy manavaka ireo vondrona roa ireo. Ny fiteny seienina dia anisan' ny vondrona fiteny algônkianina.

Ny Seienina dia nonina tamin' ny ampahany be amin' i Etazonia. Ankehitriny dia mipetraka an-tanàn-dehibe na any amin' ny toeram-pitahieizana izy ireo. Tamin' ny taona 2013 dia nisy mponina seienina 22 970, anisan' izany ny Seienina Tavaratra miisa 10 840 sy ny Seienina Tatsimo misa 12 130.=