Cedrus libani

Ny Cedrus libani dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Pinaceae (naman' ny hazokesika). Atao hoe sederan' i Libanona na sederan' i Libàna na sedera izy io amin' ny teny malagasy. Tena ahafantarana an' io hazo io ny bikany miendrika kitsoloha mandritra ny telopolo taona voalohany, nefa lasa varingarina aty aoriana.

Teratany any amin' ny tendrombohitry ny faritra atsinanan' i Mediteraneana ity hazo ity. Izy io dia kônifera lehibe maitso lalandava izay manana heviny ara-pivavahana sy ara-tantara amin' ny kolontsaina any Afovoany Atsinanana, ary voaresaka imbetsaka ao amin' ny literatioran' ny sivilizasiôna fahiny. Izy io no marika nasiônalin' i Libanona ary ampiasaina betsaka ho hazo haingo amin' ny zaridaina.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Lasa misandrahaka ny bikany, izay miendrika piramida any am-boalohany, rehefa mandroso ny taona, ka lasa manana rantsana iva izay saika marindrano ary matetika manaitra satria indraindray lasa lehibe noho ny vatany aza. Raha ambolena izy dia mahalana ity hazo ity no ho tsotra. Miakatra toy ny fantson' ôrga ny fotony samihafa, ka mahatratra haavo 40 m. Mahatratra savaivo 4,5 m ny vatany lehibe indrindra, izay mifanaraka amin' ny faha 2500 taonany.