Scylla serrata
Ny Scylla serrata dia karazana foza na drakaka ao amin' ny fianakaviana Portunidae. Izy ireo dia manan-danja amin' ny lafiny tontolo iainana, ara-tsosialy ary ara-toekarena, satria loharanon' asa sy sakafo ho an' ny mponina eny amin' ny morontsiraka izy[1]. Anisan' ny kilasy Malacostraca sy filaharana Brachyura izy, izay fantatra amin' ny akoran-tongotra mafy sy ny tongotra dimy misy tanana roa lehibe[2] .
Fizarana sy toerana
[hanova | hanova ny fango]Hita any amin' ny faritra atsinanana sy atsimon' i Afrika (Kenia, Madagasikara, Mozambika, Maorisy, Tanzania, Afrika Atsimo, ny vondronosy Kaomoro, Seisely, ary ny Ranomasina Mena), any Oseania (Aostralia, Polinezia Frantsay, Nouvelle-Calédonie, Zelandy Vaovao), any India Andrefana, ary aty amin' ny Ranomasimbe Indianina.
Famokarana
[hanova | hanova ny fango]Hita any amin' ny ala honko sy ny morontsiraka eto Madagasikara. Mahatratra 4 500 taonina eo ho eo isan-taona ny vokatra anatiny eto Madagasikara[3].
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Scylla serrata |