Hankany amin'ny vontoatiny

Scutia myrtina

Avy amin'i Wikipedia
Scutia myrtina

Ny Scutia myrtina dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Rhamnaceae. Antsoina hoe fanalaloza na sety izy amin' ny teny malagasy. Ity zavamaniry ity dia hita any Azia sy aty Afrika.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]

Zvamaniry miovaova izay afaka maniry toy ny hazobotry na hazo ny Scutia myrtina, 2-10 m ny haavony sady manana savaivo 30 sm na matetika vahy mianika amin' ny alalan' ny tsilo eny aminy. Matroka, misy nofon-kazo ary vakivaky manaraka ny lavany ny hodiny efa antitra. Volovoloina ny tsimoka tanora ary maitso sy mizorozoro ny rantsana. Maranitra, mifaingoka sady miaraka tsiroaroa eo amin' ny tonony ny tsilo, fa indraindray tsy misy. Boribory lavalava ny raviny, mifanohitra, indraindray mialonalona. Toy ny an' ny voaroy ny voany, misy hoditra mainty sy nofo fotsy ahitana vihy roa na telo.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry fanao fanafody anadiovana kibo ny Scutia myrtina[1]. Anasitranana ny tsy fahalevonan-kanina, ny fitohanana, sns ny fitanehana ny hodiny. Be antrakinônina ity zavamaniry ity[2].

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Fanalaloza", Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy
  2. "Sery", Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy