Scaevola taccada
Ny Scaevola taccada dia zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Goodeniaceae, hita any amin' ny ala honko sy amin' ny toerana amoron-tsiraka be vato na fasika any amin' ny faritra trôpikalin' i Indô-Pasifika. Izy io dia hazobotry maniry an-torapasika, fahita manamorona ny Ranomasin' i Arabia, ny Ranomasimbe Indianina trôpikaly ary any amin' ny nosy trôpikaly ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Antsoina hoe Scaevola sericea na Scaevola koenigii koa izy io. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe soanarika, variñato, bararaka ary litsoa, nefa mety hanondroana karazana hafa ireto teny ireo.
Anarany
[hanova | hanova ny fango]- Lobelia taccada Gaertn.
- Scaevola frutescens K.Krause
- Scaevola koenigii Vahl
- Scaevola sericea Vahl
- Scaevola taccada (Gaertn.) Roxb.
Faritra sy toerana aniriany
[hanova | hanova ny fango]
Ny Scaevola taccada dia hita any amin' ny faritra amorontsiraka any Okinawa, Taiwan, Sina atsimo, Vietnamy, Malezia, Filipina, Indônezia, Timôro Atsinanana, Aostralia Avaratra, Pôlinezia, Melanezia, Mikrônezia, Afrika Atsinanana, Madagasikara, Maorisy, Seisely, Ômana, Iemena, India, Maldiva, Mianmara, Tailandy, Kambôja, vondron-nosy Chagos, Kômôro, ary La Réunion. Ny tontolo feno sira, izay tena mampiavaka ny torapasika trôpikaly, no tian' io zavamaniry io aniriana.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Fiarovana ny tontolo iainana
[hanova | hanova ny fango]
Any amin' ny nosy sasany any amin' ny Ranomasimbe Pasifika dia ampiasaina mba hisorohana ny fikaoky ny morontsiraka ary koa amin' ny fanajariana ny tany ny Scaevola taccada. Ambolena eny amoron-dranomasina ihany koa izy io mba hiarovana ny zavamaniry hafa izay ambolena eo koa.
Toerana firovana ho an' ny biby
[hanova | hanova ny fango]Manome toerana azo antoka sy alokaloka ho an' ny fano maitso (Chelonia mydas) tonga manatody eny amin' ny morontsiraka aniriany.
Fitsaboana sy sakafo
[hanova | hanova ny fango]
Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana pôlineziana sy aziatika ny ampahany sasany amin' ilay zavamaniry. Natete hanasitranana ny famaivain' ny mason' ny mpanjono ambany ranomasina Chamorro ao amin' ny tangoro-nosy Mariana ny ranon-javatra avy amin' ilay zavamaniry. Teo amin' ny tantara, tany Maldiva dia natao ho sakafo amin' ny mosary ny ravin' io zavamaniry io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Scaevola (zavamaniry)
- Bararaka (Scaevola taccada; Muntafara sessilifolia na Tabernaemontana sessilifolia).
- Variñato (Scaevola taccada; Scaevola plumieri)