Hankany amin'ny vontoatiny

Scaevola plumieri

Avy amin'i Wikipedia
Scaevola plumieri

Ny Scaevola plumieri dia zavamaniry miendrika hazobotry kely, ao amin' ny fianakaviana Goodeniaceae, teratany any amin' ny ilany atsimo-andrefana amin' i Etazonia (avy any Florida ka hatrany Texas). Mitombo hatramin' ny 1 m ny haavony, maitso mavana izy ary matevina sy mitahiry ranony ny ravina, mamelana fotsy sy mamia mainty boribory. Ambolena eny amin' ny dongom-pasika izy io mba tsy hampihetsika ny tany.

Scaevola plumieri: Voniny sy voany mbola manta
Scaevola plumieri: raviny sy voany efa masaka

Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe valisoa, variñato. Ireo anarana ireo anefa dia mety hanondroana karazan-javamaniry hafa, ohatra ny hoe "variñato" dia anondroana koa ny Scaevola taccada.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]