Savony

Ny savony dia siran' ny asidra matavy (na indraindray asidra karbôksilika hafa), mitsiranoka na mivaingana, ampiasaina amin' ny fanadiovana sy fandamana ary koa amin' ny fampiharana hafa. Ao an-trano dia matetika ampiasaina amin' ny fanasana sy amin' ny fandroana ary amin' ny karazana fikarakarana trano hafa ny savony, indrindra ny "savony fidiovana". Amin' ny indostria dia ampiasaina ho famparihitana, singa ao amin' ny fanasolehana sasany ary mpandrisi-piota, ny savony.
Ny savony dia matetika vokarina amin' ny fampifangaroana tavy sy menaka miaraka amin' ny bazy. Nampiasa savony nandritra ny arivo taona ny olombelona; misy porofo momba ny famokarana fitaovana toy ny savony tany Babilôna fahiny tany amin' ny taona 2800 tal JK.
Ny savony dia voaforona môlekiola amfifilia azo avy amin' ny fiota simika eo amin' ny akora matavy sy bazy matanjaka, indrindra ny hidrôksida-na sôdiôma ho an' ny savony na hidrôksida-na pôtasiôma ho an' ny savony mainty, io no siran' ny akora matavy sy ny pôtasiôma na sôdiôma. Atao mafana na mangatsiaka ity fiota ity.