Saobakaka

Ny saobakaka dia karazana Anura avahan' ny olona amin' ny sahona, manana hoditra mivotrovotro, anakandriamaso mitsivalana, orona boribory, tongotra fohy, tsy dia afaka mitsambikina firy, mandeha miadana kokoa, ary mandany fotoana kely kokoa anaty rano, anisan' ny Amphibia na Batrachia.
Ny saobakaka dia karazana maro ao amin' ny Anura maherin' ny 500, ny Bufonidae izany, izay ahitana ny vondtron-karazana Bufo, izay fahita indrindra eto an-tany sady misy karazana 250 mahery.
Toy ny Amphibia hafa sasany, ny saobakaka, indraindray na dia eo amin' ny dingan' ny tsiboboka aza, dia mamokatra poizina mahafaty ary indraindray mety hiteraka fahitana zavatra tsy misy koa, izay miaro azy amin' ny biby mpiremby maro. Ankoatra izany, matevina kokoa ny hodiny ary mahatohitra ny tsy fahampian-drano sy ny ratra.
Fianakaviana sy karazana
[hanova | hanova ny fango]Fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny taksônômie siantifika, ny saobakaka dia ahitana ny tena "saobakaka tena izy" (Bufonidae) sy ny sahona an-tanety hafa na sahona mivotrovotro hoditra. Ny "saobakaka" tsy ao amin' ny Bufonidae dia hita ao amin' ireto fianakaviana ireto:
- Bombinatoridae
- Calyptocephalellidae
- Discoglossidae
- Myobatrachidae
- Pelobatidae
- Rhinophrynidae
- Scaphiopodidae
- Microhylidae
Karazana
[hanova | hanova ny fango]- Alytes obstetricans
- Bombina sp.
- Bufo alvarius
- Bufo americanus
- Bufo boreas
- Bufo bufo,
- Bufo calamita
- Bufo cognatus
- Bufo gutturalis
- Bufo periglenes
- Bufo viridis
- Duttaphrynus melanostictus
- Dyscophus antongilii
- Megophrys nasuta na Ceratophrys cornuta
- Pedostibes hosii
- Rhinella marina
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Raha tsy mety ny atao, tain' akoho aza manatintohina, ny patsa iray tsy omby vava, ary raha mety kosa ny atao, ny saobakaka aza mampidin-dranon-ketsa.
- Saobakaka mandro an' ony, ny sahona mandro an-tatatra, ka aokasamy handro amin' ny onin-drainy.
- Saobakaka miaraka aman-tsahona ka ny lehibe indray no adala.
- Saobakaka am-body riana : fiadanana no nozahana, ka tabataba no hita.
- Saobakaka mamangy havana : ny mpamangy mototra, ny vangiana mototra.
- Zava-tsy ananana mahabakabaka, hoy ilay namahan-tsabakaka.