Santimetatra
Fiseho

Ny santimetatra, izay hafohezina amin' ny hoe sm, dia ventin-drefin-kalavana mitovy amin' ny ampahazaton' ny metatra. Mitovy amin' izany ihany dia misy 100 santimetatra ny 1 metatra.
Ny santimetatra dia mijanona ho ventin-kalavana ho an' ny fandrefesana amin' ny fiainana andavan' andro; ohatra, ny halavan' ny olombelona dia matetika refesina amin' ny santimetatra. Mirefy iray santimetatra eo ho eo ny sakan' ny hohon-tanan' ny olon-dehibe salantsalany.
Fafana maneho ny fifandraisan' ny santimetatra amin' ny ventin-kalavana hafa.
Kilômetatra | 0,00001 | 0,0001 | 0,001 | 0,01 | 0,1 | 1 |
Hektômetatra | 0,0001 | 0,001 | 0,01 | 0,1 | 1 | 10 |
Dekametatra | 0,001 | 0,01 | 0,1 | 1 | 10 | 100 |
Metatra | 0,01 | 0,1 | 1 | 10 | 100 | 1 000 |
Desimetatra | 0,1 | 1 | 10 | 100 | 1 000 | 10 000 |
Santimetatra | 1 | 10 | 100 | 1 000 | 10 000 | 100 000 |
Milimetatra | 10 | 100 | 1 000 | 10 000 | 100 000 | 1 000 000 |
Mikrômetatra | 10 000 | 100 000 | 1 000 000 | 10 000 000 | 100 000 000 | 1 000 000 000 |