Samuel Rajaobelison
Samuel Rajaobelison (1915–1994), izay fantatra kokoa amin'ny solon'anarana Zakarandahy, dia iray amin'ireo poeta sy mpanoratra malagasy nanana ny toerany teo amin'ny haisoratra malagasy tamin'ny taonjato faha-20. Nankalazaina manokana ny faha-100 taona nahaterahany tamin'ny taona 2015 noho ny anjara birikiny lehibe teo amin'ny literatiora malagasy[1].
Tantaram-piainany
[hanova | hanova ny fango]Samuel Rajaobelison dia teraka tamin'ny 25 Septambra 1915 ary nodimandry ny 7 Febroary 1994. Mbola 4 taona monja izy dia nodimandry ny reniny, ka ny raibe sy renibeny no nikarakara sy nanabe azy. Io fahakambotiana sy ireo zava-niainany tamin'ny fahazazany io dia hita taratra matetika ao amin'ny tononkalony. Teo amin'ny lafiny fianarana dia nianatra tany amin'ny sekoly protestanta izy ary nahazo ny mari-pahaizana CAE (Certificat d'Aptitude à l'Enseignement). Hatramin'ny fahatanorany dia efa tia haisoratra, mozika, ary zavakanto i Samuel Rajaobelison na i Zakarandahy[2].
Nanana zanaka 11 izy. Ny fitaizany sy ny fitiavany ny ankohonany ihany koa dia hita taratra tao anatin"ireo sanganasany (ohatra, ny tononkalo Rotsirotsindray izay natokany ho an'ireo zanany). Ny zanany lahy matoa, Ndriana Rajaobelison, dia fantatra amin'ny maha mpikambana azy ao amin'ny tarika Solika[3].
Ny sehatra niasany
[hanova | hanova ny fango]Olona maro talenta i Samuel Rajaobelison ary saika novelomina avokoa ny rantsana maron'ny haisoratra :
- Poeta sy Mpanoratra: Mpikambana mavitrika tao amin'ny fikambanana Havatsa-UPEM (Union des Poètes et Écrivains Malgaches) izy.
- Mpamorona hira sy Mpitendry: Namorona hira malaza maro izay mbola fihirin'ireo mpiantsehatra amin'ny hira madio sy ny kalon'ny fahiny (toy ny hira Mazava atsinanana, Any sy aty, Ramaraina, ary Hafatra).
- Mpamorona Tantara an-tsehatra sy Mpanao gazety: Nandray anjara betsaka tamin'ny fanoratana tantara fohy, gazety kely, ary tantara an-tsehatra.
Tsy poeta sy mpanoratra ihany izy noho izany fa mpamoron-kira, mpitendry zavamaneno, mpikatroka ara-tsosialy, ary nanohana ny tolon'ny mpiasa sy ny fitiavan-tanindrazana, satria dia anisany nanao ny atao hoe SMOTIG tamin'izany vanim-potoana izany.
Boky sy asa-sorany
[hanova | hanova ny fango]Anisan'ireo boky sy sanganasa navelany :
- Fehezam-bary gasy,
- Voninkazo taratasy,
- Takela-pitia,
- Ralaikamboty,
- Mpanjono,
- Mpikororoka ampombo.
Ankoatra ireo boky ireo dia nanoratra tononkalo maherin'ny 300, izay nosoratany tamin'ny teny malagasy avokoa. Maro tamin'izy ireny no navoakan'ny fianakaviany taorian'ny nahafatesany[4].
Anisany nahafantarana azy ity asa-soratra manaraka ity :
Ny fon'ny Poety
[hanova | hanova ny fango]Ny fon’ny poety dia kianja mampiray
Ikarenjen’ny olona sy anaovany antsojay
Ny tononkira ataony izay vetson’ny fanahy
Dia lanitra ikambanana tsy misy azy sy ahy
Ny tenabeny kosa mazana tsy omby trano
Fa lolon-javatra izy sy zanakalondrano.
Lohahevitra hita matetika amin'ny tononkalony
[hanova | hanova ny fango]Zakarandahy dia narisika sy nirona tamin'ny antsoina hoe "réalisme poétique" na ny lohahevitra mifamatotra mivantana amin'ny zava-misy iainana andavanandro. Ny lohahevitra lehibe nifantohany dia ny Fitiavana amin'ny endriny rehetra: ny fitiavana ny vadiny (hita ao amin'ny Tokantrano fahafahana), ny fitiavana ny zanaka, ary ny fitiavana ny tanindrazana sy ny maha-olona.
Noho izany ny tononkalony dia miresaka indrindra momba ny :
- Fitiavana sy fiainam-pianakaviana,
- Fitiavan-tanindrazana,
- Natiora sy tontolo iainana,
- Fiainan'ny vahoaka,
- Firaisankina sy fihavanana,
- Finoana sy soatoavina.
Izany no nahatonga azy hantsoina hoe Poetan'ny tontolo maro na "Le poète d
| Samuel Rajaobelison na Zakarandahy | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Samuel Rajaobelison na Zakarandahy | |
| Teraka | 25 Septambra 1915 | |
| Toerana | - | |
| Maty | 7 Febroary 1994 | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | Poeta sy mpanoratra malagasy | |
| Asa hafa | Mpamorona hira sy Mpitendry, mpamorona tantara an-tsehatra sy mpanao gazety | |
| Fiainana manokana | ||
es univers", satria saika ny lafiny rehetra amin'ny fiainan'olombelona no nentin'ny tononkalony nandinika sy naneho hevitra.
Ny mampiavaka ny fomba fanoratany
[hanova | hanova ny fango]Malaza ho manana fomba fanoratana miavaka izy: mahay mamorona sary an-tsaina mihetsika sy mampifoha ny fo amin'ny alalan'ny teny, toy ny sary hosodoko mihitsy.
Zakarandahy dia nalaza noho ny :
- Voambolana malagasy madio;
- Fampiasana hainteny sy fomba fiteny nentim-paharazana;
- Sary an-tsaina mamelona ny tononkalo;
- Gadona mora vakiana sy mora tononina;
- Fampifangaroana ny kolontsaina malagasy sy ny fiainana andavanandro.
Ankehitriny dia mbola anisan'ireo poeta lehibe indrindra eo amin'ny literatiora malagasy i Zakarandahy. Ny tononkalony dia ampiasaina amin'ny fikarohana sy fampianarana haisoratra, ary ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahany tamin'ny 2015 dia nanamafy indray ny lanjan'ny asa sorany eo amin'ny kolontsaina malagasy.
- ↑ motmalgache.org/bins/teny2/Rajaobelison%20Samuël
- ↑
- ↑
- ↑ https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rajaobelison-samuel