Hankany amin'ny vontoatiny

Salvia coccinea

Avy amin'i Wikipedia
Salvia coccinea

Ny Salvia coccinea dia karazana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Lamiaceae izay miparitaka any Etazonia atsimo-atsinanana, any Meksika, any Amerika Afovoany, any Karaiba, ary any amin' ny faritra avaratr' i Amerika Atsimo (Kôlômbia sy Peroa ary Brezila). Nisy fotoana niheverana azy io ho nipoitra avy any Brezila, saingy ny isan' ny krômôzôma diplôida ankehitriny dia manondro an' i Meksika ho toerana niaviany. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe afolava, sangasanga, na sangasanganandevolahy.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]
Salvia coccinea

Ampiasana amin' ny aretin' ny fandevonan-kanina maivana sy ny aretina sasany mahazo ny taovam-pisefoana ary indraindray ny tazo ny Salvia coccinea, noho izy io lazaina fa mampihena ny mamaivay sy ny mamono mikrôba. Mbola tsy ampy anefa ny tahirin-kevitra ara-tsiansa momba ny fanandramana fa mijanona ho sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana izany.

Ao amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy dia fanafody famonoana otrikaretina sady ampitsaharana ny fihondratsondratana, atao indrindra ho an' ny ankizy mikohaka ny tambavy azo avy amin' ny fitanehana ny Salvia coccinea. Fanampin' izany dia omena hanasitranana ny kohaka sy ny aretina isan-karazany mahazo ny zaza ny ranon' ilay zavamaniry, ary natao hanamboarana ody mosavy, araka ny finoana nentim-paharazana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]