Hankany amin'ny vontoatiny

Salvadoraceae

Avy amin'i Wikipedia
Filofilo (Azima tetracantha)

Ny Salvadoraceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Celastrales na Brassicales, ahitana karazana folo eo ho eo mitsinjara amin' ny vondron-karazana roa na telo. Hazo na hazobotry izy ireo, indraindray misy tsilo, indraindray mandady, hita any amin' ny faritra maina na masira, any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly. Hita ao Afrika, eto Madagasikara, any Azia Atsimo, ary any Malezia izy ireo.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Nametraka ity fianakaviana ity tao amin' ny filaharana Celastrales ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981). Ny fanasokajiana filôjenetika kosa dia mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Brassicales.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (4 Aogositra 2015):

  • Dobera
  • Salvadora

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny NCBI (4 Aogositra 2015):

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny DELTA Angio (4 Aogositra 2015):