Saloma (mpanjakan' i Israely)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Saloma (mpanjakan'i Israely))

I Saloma dia zanak' i Jabesa tonga mpanjakan' i Israely nandritra ny iray volana teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Nioko tamin' ny mpanjaka Zakaria izy ka namono azy ary naka ny fitondrana. Novonoin' i Menahema zanak' i Gady koa izy taorian' izay. Araka an' i William F. Albright dia tamin'ny taona 745 tal. J.K. no nanjakan' i Saloma nefa i Edwin R. Thiele mandroso ny taona 752 tal. J.K.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia שַׁלּ֤וּם‎ / Shallūm no anarany. Ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka no ahitana ny tantarany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).