Salicaceae

Ny Salicaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Malpighiales. Ity fianakaviana ity dia ahitana karazany maro, manomboka amin' ny kirihitra madinika ka hatramin' ny hazo eny amin' ny faritra iva sy an-tendrombohitra.
Ny fanadihadiana momba ny fototarazo nofintinin' ny Angiosperm Phylogeny Group (APG) dia nanitatra be ny fianakavian-javamaniry Salicaceae ka ahitana vondron-karazana 56 sy karazana 1 220 eo ho eo, anisan' izany ny karazana ao amin' ny Scyphostegiaceae maniry any amin' ny faritra trôpikaly sy ny maro amin' ny karazana ao amin' ny Flacourtiaceae taloha.
Ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist teo aloha, ny Salicaceae dia nomena filaharana manokana, Salicales, ary misy vondron-karazana telo, Salix sy Populus ary Chosenia (ankehitriny syn. Salix). Fantatra fa mifandray akaiky amin' ny Violaceae sy Passifloraceae ity fianakaviana ity izay napetraky ny APG ao amin' ny filaharana Malpighiales.
Eo amin' ny famaritana vaovao, ny ankamaroan' ny mpikambana ao amin' ilay fianakaviana dia hazo na kirihitra izay manana ravina tsotra miaraka amin' ny fandaminana mifandimby, ary matetika ny mpikambana dia mihantona. Manana sisin-dravina misy kinifinifiny ny ankamaroan' ny karazana. Matetika manana vony kely sy tsy dia hita ny karazana ao amin' ilay fianakaviana.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]
Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (25 Mey 2010):
- Abatia
- Aphaerema
- Azara
- Banara
- Bartholomaea
- Bembicia
- Bennettiodendron
- Bivinia
- Byrsanthus
- Calantica
- Carrierea
- Casearia
- Dissomeria
- Dovyalis
- Euceraea
- Flacourtia
- Gerrardina
- Hasseltia
- Hasseltiopsis
- Hecatostemon
- Hemiscolopia
- Homalium
- Idesia
- Itoa
- Laetia
- Lasiochlamys
- Ludia
- Lunania
- Macrohasseltia
- Mocquerysia
- Neopringlea
- Neoptychocarpus
- Olmediella
- Oncoba
- Ophiobotrys
- Osmelia
- Phyllobotryon
- Phylloclinium
- Pineda
- Pleuranthodendron
- Poliothyrsis
- Populus
- Priamosia
- Prockia
- Pseudoscolopia
- Pseudosmelia
- Ryania
- Salix
- Samyda
- Scolopia
- Scyphostegia
- Tetrathylacium
- Tisonia
- Trimeria
- Xylosma
- Zuelania