Salamo faha-76
Fiseho
Ny Salamo faha-76 na Salamo 76 dia salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahatelo:" (Sal. 73-89) ity salamo ity. Ny Salamo faha-75 no eo alohany ary ny Salamo faha-78 no manaraka azy.
Lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Baiboly prôtestanta
[hanova | hanova ny fango]- Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Salamo nataon' i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin' ny Joda; malaza eo amin' ny Israely ny anarany;
- Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
- Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
- Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin' ny tendrombohitra fitohàna.
- Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
- Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr' i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
- Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
- Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
- Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin' ny tany.
- Fa ny fahatezeran' ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
- Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin' i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an' Izay mahatahotra.
- Manapaka ny reharehan' ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan' ny tany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.