Salamo faha-60
Fiseho
Ny Salamo faha-60 na Salamo 60 dia salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky faharoa:" (Sal. 42-72) ity salamo ity. Ny Salamo faha-59 no eo alohany ary ny Salamo faha-61 no manaraka azy.
Lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Baiboly prôtestanta
[hanova | hanova ny fango]- Ho an' ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon' i Davida hampianarana, fony izy nanafika an' i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin' ny niverenan' i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin' ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
- Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
- Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
- Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
- Mba hahafahan' ny malalanao, dia vonjeo amin' ny tananao ankavanana aho, ka valio.
- Andriamanitra niteny tamin' ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an' i Sekema; ary ny lohasahan' i Sokota horefesiko;
- Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron' ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
- Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
- Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
- Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin' ny antokon' ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
- Vonjeo amin' ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon' ny olona.
- Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.