Hankany amin'ny vontoatiny

Salamo faha-137

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-137 dia salamo ao amin' ny "boky fahadimy" ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly, mba ho fahatsiarovana ny alahelon' ny babo tany Babilôna sy fanozonana ny fahavalo:

Ao amin' ny Baiboly malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Baiboly prôtestanta

[hanova | hanova ny fango]
  1. Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
  2. Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
  3. Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.)
  4. Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?)
  5. Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.)
  6. Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.)
  7. Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.)
  8. Ry Babylona zanakavavy izay efa resy*, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy])
  9. Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.

Ao amin' ny Baiboly katôlika

[hanova | hanova ny fango]
  1. Teo amoron'ny onin'i Babilona, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an'i Siona.
  2. Teo amin'ny hazo malahelo eo an-dohasahany, no nahantonay ny harpanay.
  3. Fa teo izahay dia nangatahan'ireo nitana anay am-pahababoana, hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana; nangatahin'ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay: Manaova hiran'i Siona ho anay hianareo.
  4. Hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny Tompo any an-tanin'ny olona hafa firenena?
  5. Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka hanadino tsy hahetsika ny tànako ankavanana!
  6. Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako, raha mitsahatra ny mihevitra anao aho, raha tsy Jerosalema no ataoko loha laharana amin'ny fifaliako!
  7. Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak'i Edoma, fony tamin'ny andron'i Jerosalema, dia hoy ireny: Ravao! ravao! izy, hatramin'ny fotony!
  8. Ry zanakavavin'i Babilona voatolotra ho amin'ny fandringanana, sambatra izay hamaly anao, araka ny ratsy nataonao taminay.
  9. Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro, ny zanakao madinika amin'ny vato!

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]