Aller au contenu

Salamo faha-110

Avy amin'i Wikipedia

Ny Salamo faha-110 na Salamo 110 dia salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahadimy:" (Sal. 107-150) ity salamo ity. Ny Salamo faha-109 no eo alohany ary ny Salamo faha-111 no manaraka azy.

Ny lahatsoratra

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Baiboly prôtestanta

[hanova | hanova ny fango]
  1. Salamo nataon' i Davida. Izao no lazain' i Jehovah amin' ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
  2. Ny tehin' ny herinao Havoak' i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin' ny fahavalonao Hianao.
  3. Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin' ny andro anafihanao; Amin' ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
  4. Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon' i Melkizedeka.
  5. Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin' ny andron' ny fahatezerany
  6. Hitsara any amin' ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin' ny tany malalaka Izy.
  7. Hisotro amin' ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan' ny lohany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]