Sakarôzy

Ny sakarôzy ny siramamy fampiasa andavanandro izay haro ôrganika anisan' ny sokajin' ny gliosida. Karazana disakarida (na dihôlôsida) izy io, izany hoe miforona avy amin' ny fitambaran' ny siramamy tsotra roa: môlekiola gliokôzy iray sy môlekiola froktôzy iray. Izao ny raikipohy simikany: C12H22O11. Miseho amin' ny endrika kristaly fotsy izay levona haingana ao anaty rano izy raha madio tanteraka.
Vokarin' ny zavamaniry amin' ny alalan' ny fôtôsentezy ny sakarôzy mba hitahirizana angovo. Zavamaniry roa no tena ahazoana azy: ny fary (Saccharum) sy ny betiravy fanaovan-tsiramamy (Beta vulgaris). Hita amin' ny fatra samihafa koa izy io ao anatin' ny ankamaroan' ny voankazo toy ny manga (Mangifera indica) sy ny mananasy (Ananas comosus), sy ny legioma sasany toy ny karaoty (Daucus carota).
Levon' ny ny vatana mora foana ny sakarôzy ka manome angovo avy hatrany (eo amin' ny 4 kalôria eo ho eo isaky ny grama). Tokony ho antonony anefa ny fihinanana azy. Manoro hevitra ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (Organisation mondiale de la santé - OMS) mba hamerana ny habetsahan' ny siramamy "malalaka" (anisan' izany ny sakarôzy atovana amin' ny sakafo) ho latsaky ny 10% ny angovo entiny ho an' ny vatana isan' andro. Mampitombo ny mety hisian' ny oli-nify, ny fitomboan-danja, ny hatavezana tafahoatra, ny diabeta karazany 2, ary aretin' aty matavy ny fihinanana azy tafahoatra.