Sahona

Ny sahona dia ao amin' ny vondrona Amphibia, indrindra amin' ny vondron-karazana Rana. Amin' ny dingana iray eo amin' ny fivoarany, ny sahona dia antsoina hoe tsiboboka. Anisan' ny Reptilia ny sahona. Karazam-biby mivelona eny amoron' ny farihy sy heniheny ny sahona, malamalama hoditra, ary lava tongotra aoriana noho ny eo aloha ka mahay fatratra raha hitsambikina.
Biby efa-tongotra ao amin' ny filaharana Anura, toy ny sahombora (na sahomborera) ny sahona, izay matetika maitso sy miaina eny ambony hazo amin' ny ankapobeny, ny saobakaka izay manana hodintra mivotrovotro, ary ny Xenopus izay tsy tena anaty rano. Ireo teny rehetra fampiasa andavanandro ireo dia mifanitsy amin' ny endrika ivelany fa tsy amin' ny fanasokajiana tena siantifika.
Avahan' ny olona amin' ny sahona ny saobakaka, izay karazana Anura hafa, izay manana hoditra mivotrovotro, ny maso misy anakandriamaso mitsivalana, orona boribory, tongotra fohy, kely kokoa ny fahafahana mitsambikina, mandeha miadana kokoa, ary mandany fotoana kely kokoa amin' ny tontolo anaty rano raha mitaha amin' ny sahona.

Misy karazany 3 800 eo ho eo ny sahona sy ny saobakaka, izay nihena be tampoka nanomboka tamin’ny tapaky ny taonjato faha-20.
Karazana sahona maro no ompiana mba hihinanana ny tongony, ny sasany ampiasaina amin' ny fanandramana, ary ny hafa indraindray ampiasaina ho fanaingoana.
Matetika izy ireo no resahina ao amin' ny lahatsoratra ary hita ao amin' ny fampisehoana zavakanto. Ny sahona koa dia mpandray anjara manan-danja ao amin' ny kolontsaim-bahoaka malaza na na an' ny ankizy amin' ny fanehona azy ho biby maharikoriko sy ratsy indraindray na biby mahagaga sy mahasoa, indrindra araka ny hita ao amin' ny angano momba ny andriana na andriambavy niova ho sahona (na matetika ho saobakaka).
Kokontsaina
[hanova | hanova ny fango]Anaran-karazan-tsahona amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Sahomborera
- Sahombora
- Sahondoròka
- Saobakaka
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
- Aza mijokojoko mampiseho vombona, tahaka ny takatra mijoko sahona.
- Horakoraka ny an' ny sahona, fa ny tsiboboka ihany no tompon' ny rano.
- Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa: Maromena hahatsiravina, Antsakalava hahatahotra.
- Manao lelam-bibilava : mitrangatranga ihany na tsy mahita sahona aza.
- Ny vorombazaha no mitabataba, ka taitra ny sahona.
- Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona ; ary raha tany misy loha, dia misy lela ; ary raha tany misy lela, dia misy hevitra.
- Saobakaka mandro an' ony, sahona mandro an-tatatra : aoka samy handro amin' ny onin-drainy.
- Sahala amin' ny sahona : mipetraka toa lahiantitra ; mitsambikina toa tovolahy.
- Trano misy olona, misy afo, tany misy farihy, misy sahona.
- Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin-drainy.
- Vikin-tsahona, ka samy manala izay ho afany.