Saadia Gaon
I Saadia Gaon, fantatra amin' ny anarana hoe Rassag, dia raby tamin' ny taonjato faha-10. Teraka tao Ejipta tamin' ny taona 882 na 892 izy ary maty tao Babilônia tamin' ny taona 942. Amin' ny teny hebreo izy dia רב סעדיה בן יוסף גאון סורא / Rav Saadia ben Yosseph Gaon Soura, ary amin' ny teny arabo dia سعيد إبن يوسف الفيّومي / Sa`īd ibn Yūsuf al-Fayyūmi,
Ny fiainany dia fifanesena tolona sy ady maro mba tsy hahafaty sy hitohizan' ny jodaisma rabinika babilôniana manoloana ny fampiraisam-bolon' ny sivilizasiôna arabo-mozilmana izay mpandresy, sy manoloana ny adim-pahefana eo amin' ny akademian' ny Tanin' i Israely sy ny akademian' i Babilôna, ary manoloana ireo izay mampifanohitra ny mpitarika tany am-pahababoana (ראש הגולה / Rosh HaGola, mpitarika ny Jiosy an-tsesitany tany Babilônia, sns.) amin' ny mpitarika sekoly (גאונים / Ga'onim) sns tany Babilônia ihany koa. Izy no mpanohitra lehibe ny Karaita, mpiandany amin' ny jodaisma mpanaraka hentitra ny Soratra Masina izay nanda ny Torah am-bava nataon' ny raby.
Niatrika ireo olana ireo tamin' ny alalan' ny asasoratra manavao maro izy, ka lasa ny mpanaraka ny jodaisma rabinika voalohany nandray anjara tamin' ny siansa tsy ara-pivavahana tamin' ny androny nefa tsy nanao tsirambina ny sehatra nentim-paharazana. Ny Tafsir, izay heviteny rabinika voalohany momba ny Baiboly, ary ny Sefer Emunot veDeot, izay andrana lehibe voalohany hampifanaraka ny lova jiosy rabinika sy ny filôzôfia grika, no asasorany malaza indrindra amin' izao fotoana izao.
Ny fiainan' i Saadia Gaon sy ny asany no nahatonga azy ho anisan' ny manampahefana ara-panahy sy ara-tsiansa ambony indrindra tamin' ny vanim-potoan' ny Geonim. Nandray anjara lehibe tamin' ny andro volamenan' ny kolontsaina jiosy tany Espaina, ny asasorany, ka nahazoany toerana tao amin' ny jodaisma arabo-andaloziana izay i Mosesy Maimônida ihany no afaka nitonon-tena ho izany tatỳ aoriana.