Sôva
Fiseho
Ny sôva na vakisôva dia tononkalo am-bava sy karazan-kira nentim-paharazana any amin' ny Tsimihety. Hira tsimihety malaza indrindra ny sôva. Hira nentim-paharazana, amboarina tsy tapaka mba hahafeno izay andrasan' ny mpihaino. Ny mpiangaly sôva dia atao hoe mpisôva izay mihira momba ny fiainana, ny zavaboary, ny fiarahamonina, ny zanahary ary izao rehetra izao.