Sôteriôlôjia

Avy amin'i Wikipedia

Ny sôteriôlôjia dia sampan' ny teôlôjia izay andalinana ny amin' ny famonjena. Ny sôteriôlôjia dia teôlôjian' ny famonjena. Tsy ny Kristianisma ihany no azo anaovana sôteriôlôjia fa ireo fivavahana hafa koa izay ahitana ny firesahana ny amin' ny famonjena. Avy amin' ny teny grika hoe σωτηρία / sôtêria izay midika hoe "famonjena" sy ny hoe λόγος / logos izay midika hoe "resaka" na "fandalinana" na "fahalalàna". Ny teny hoe σωτηρία / sôtêria dia nisampana avy amin' ny hoe σωτήρ / sôtêr izay midika hoe "mpamonjy".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]