Hankany amin'ny vontoatiny

Sôlaninina

Avy amin'i Wikipedia
Firafitra ara-tsimian' ny sôlaninina

Ny sôlaninina dia alkalôida hita ao amin' ny zavamaniry maro ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Izy io dia akora mafaitra, poizina amin' ny ankapobeny, izay heverina fa mandrisika ny fahazotoan-koman' ny Leptinotarsa decemlineata (karazana voangory).

Ovy (Solanum tuberosum)

Amin' ny zavamaniry azo hanina, ny ovy (Solanum tuberosum) dia misy sôlaninina kely izay hita indrindra ao amin' ny voniny sy ny tsimoka ary ny hodiny, ary koa eo ambanin' izy ireo, izay mety hiteraka fanapoizinana. Misy koa ny ao amin' ny voatabia (Solanum lycopersicum) sy ao amin' ny baranjely (Solanum melongena) ary ny ao amin' ny fizalisy (Physalis). Tsy mampidi-doza ho an' ny olombelona ny sôlaninina amin' ny fatra kely fa mety manapoizina raha be loatra.

Baranjely

Tena manamora ny fiforonan' ny sôlaninina ny fitehirizana ovy tsy manaraka fepetra tsara, sy ny fotoana lava be eo anelanelan' ny famoasana sy ny fanetehana ary fahandroana.