Sôkratesy Skôlastikôsy
I Sôkratesy Skôlastikôsy na Sôkratesy avy any Kônstantinôplisy dia mpahay tantara kristiana niteny grika. Teraka tao Kônstantinôpôlisy manodidina ny taona 380 ary maty tao manodidina ny taona 450 izy.
Izy, miaraka amin' i Eosebiôsy avy any Kaisarea sy i Sôzômenôsy sy i Teôdôretôsy avy any Kirôsy ary i Evagriôsy Skôlastikôsy, dia anisan' ny mpahay tantara lehibe momba ny Andro Taloha Kristiana.
Ny Tantaran' ny Fiangonana (grika: Ἐκκλησιαστική Ἱστορία / Ekklêsiastikê Istoria) nosoratany, izay mety navoaka tamin' ny taona 439/440 tany ho any, dia natao ho tantaran' ny kristianisma amin' ny lafiny rehetra fa tsy tantaran' ny ny Fiangonana amin' ny heviny hentitra. Tsy isalasalana fa io fomba fijery mivelatra io dia azo hazavaina satria anisan' ny vondron' ny Nôvatiana izy ka noho izany dia tao ivelan' ny sisin' ny Fiangonana "ôfisialy"; vokatr' izany ny fahalianany amin' ny vondrona sy hetsika rehetra ao anatin' ny hetsika kristiana sy ny fandeferana nananany manoloana azy ireo. Izany dia azo hazavaina ihany koa noho ny fiezahan' i Sôkratesy ny hahaliana ny mpamaky marobe.