Hankany amin'ny vontoatiny

Rosidae

Avy amin'i Wikipedia
Famony mampiavaka ny Rosidae

Ny Rosidae na Rosiidae dia zana-kilasin-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka. Noho ny fananany fianakaviana 100 mahery sy karazana mihoatra ny 50 000, ny Rosidae no zana-kilasy faharoa lehibe indrindra ao amin' ny Magnolopsida, misolo tena ny ampahefatry ny zavamaniry mamony (Angiospermae) rehetra. Fianakaviana enina fotsiny no mamondrona ny antsasany mahery amin' ny fitambarany: ny Fabaceae, ny Euphorbiaceae, ny Rosaceae, ny Myrtaceae, ny Melastomataceae, ary ny Apiaceae, izay samy manana karazany eo anelanelan' ny 3 000 sy 12 000. Ao amin' ny fanasokajiana klasika no ahitana an' ity zana-kilasy ity izay tsy misy intsony ao amin' ny fanasolajiana filôjenetika ankehitriny.

Ny karazana ao amin' ny Rosiidae dia hita amin' ny biôtôpy rehetra saingy tsy izy ireo no manjaka amin' ny karazan-javamaniry amin' ny toerana misy azy. Anisan' izany ny zavamaniry ambolena manan-danja ara-toekarena: ny voankazo toy ny paoma sy ny poara (Rosales), ny voasary (Rutaceae) sy ny voaloboka (Rhamnales), voamaina toy ny sôza, ny voanjo, ny tsaramaso, ny voanemba (Fabaceae), ny rongonimbazaha (Linaceae), fingotra avy amin' ny hazo hevea sy ny mangahazo (Euphorbiaceae), ny hazo toy ny ôaka sy ny hetira (Fagales).

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981) dia ahitana filaharana 18 ny zana-kilasy Rosidae:

Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) sy APG III (2009), ity zana-kilasy ity dia lasa klady. Manana famaritana hafa be ao amin' ny APG III ilay vondrona (Rosanae).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Zana-kilasy hafa sasany ao amin' ny Magnoliopsida: