Hankany amin'ny vontoatiny

Rosales

Avy amin'i Wikipedia
Rosa cinnamomea L. sy Rosa rubiginosa L.

Ny Rosales dia filaharan-javamaniry mamony (anisan' ny Angiospermae) roa ravin-tsimoka (anisan' ny Dicotyledonae). Anisan' ny mpikambana fantatra indrindra ao amin' ny Rosales ireto: ny raozy (Rosa), ny frezy (Fragaria ×ananassa), ny paoma (Malus domestica), ny serizy (Prunus), ny poara (Pyrus), ny paiso (Prunus persica), ny mokonazy (Ziziphus mucronata, Ziziphus jujuba, sns), mônoko (Ficus benghalensis), fihamy (Ficus grevei, Ficus guatteriifolia, sns), aviavy (Ficus carica, Ficus trichopoda, Ficus megapoda, sns), voaroihazo (Morus alba), ny tsirapay (Artocarpus altilis), ary ny rongony (Cannabis). Misy karazana 7 700 eo ho eo, izay mitsinjara amin' ny fianakaviana sivy sy amin' ny antokon-javamaniry 260 eo ho eo, ny Rosales. Fianakaviana filamatra ny Rosaceae. Ny Moraceae (38/1 100) sy ny Urticaceae (54/2 600) ary ny Rosaceae (90/4 800) no fianakaviana lehibe indrindra telo voalohany.

Taksônômia

[hanova | hanova ny fango]

Fanasokajiana klasika

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana tranainy kokoa nataon' i Dahlgren dia ao amin' ny renifilaharana Rosiflorae (antsoina koa hoe Rosanae) ny Rosales. Ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981) izay efa lany andro dia pôlifiletika matetika ny filaharana Rosales. Izy io dia nahitana ny fianakaviana Rosaceae sy fianakaviana 23 hafa izay napetraka ao amin' ny filaharana isan-karazany ankehitriny. Indreto ireo fianakavina ireo sy ny filaharana nametrahana azy ireo taty aoriana araka ny fanasokajiana APG III:

Fanasokajiana APG (1998)

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny ny fanasokajiana filôjenetika APG (1998) dia ireto ny fianakaviana tao amin' ny Rosales:

Fanasokajiana APG II sy APG III

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) sy APG III (2009) dia tsy ahitana afa-tsy fianakaviana sivy:

  • Barbeyaceae Rendle (1916) -- nofoanana ny filaharana Urticales nisy azy teo aloha
  • Cannabaceae Martinov (1820) (nampidirina ao ny Celtidaceae) -- nofoanana ny filaharana Urticales nisy azy teo aloha
  • Dirachmaceae Hutch. (1959) -- nesorina avy ao amin' ny filaharana Geraniales
  • Elaeagnaceae Juss. (1789) -- nesorina avy ao amin' ny filaharana Proteales
  • Moraceae Gaudich. (1835) -- nofoanana ny filaharana Urticales nisy azy teo aloha
  • Rhamnaceae Juss. (1789) -- nofoanana ny filaharana Rhamnales nisy azy teo aloha
  • Rosaceae Juss. (1789) -- mijanona ao amin' ny filaharana Rosales
  • Ulmaceae Mirb. (1815) -- nofoanana ny filaharana Urticales nisy azy teo aloha
  • Urticaceae Juss. (1789) (nampidirina ao ny Cecropiaceae) -- nofoanana ny filaharana Urticales nisy azy teo aloha

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  • Geraniales (filaharana misy ao amin' ny fanasokajiana APG III sy APG IV)
  • Proteales (filaharana misy ao amin' ny fanasokajiana APG III sy APG IV)
  • Rhamnales (filaharana tsy misy ao amin' ny fanasokajiana APG III sy APG IV, notsinjarana amin' ny filaharana Rosales sy Vitales)
  • Urticales (filaharana tsy misy ao amin' ny fanasokajiana APG III sy APG IV)