Hankany amin'ny vontoatiny

Roka

Avy amin'i Wikipedia
Tany misy roka

Ny roka dia ilay lafika ambony indrindra amin' ny nofon-tany izay miforona sy voatazona ary ovain' ny fahasimban' ny akora ôrganika, indrindra noho ny fiaraha-miasan' ny biby madinika sy ny bakteria ary ny holatra ao anaty tany. Akora malefaka sady misy rivotra ao anatiny ny roka, izay mitroka sy mitahiry rano tsara; miovaova ny haavon' ny pH ao aminy arakaraka ny fifandraisan' ny akora ôrganika amin' ny mineraly na tsia, manana loko maizina (manomboka amin' ny volontany ka hatramin' ny mainty) izy, ary manana fofona miavaka izay miovaova arakaraka ny fiaviany, na avy any anaty ala, na avy amin' ny tany anjakan' ny bozaka, na avy amin' ny tany voavoly.

Ny roka dia miavaka amin' ny zezipako (kômpôsta) noho izy voajanahary, saingy manana toetra maro itoviany aminy, indrindra fa ny fahafahany mitahiry rano sy otrikaina. Ao anatin' ny nofon-tany, ny roka no singa tena miasa eo amin' ny lafiny biôlôjika. Hita betsaka indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony izy io, na dia misy karazana roka tranainy sy namboarin' olona antsoina hoe terra preta (na "tany mainty") aza vao haingana no hita indray sy nodinihina tao amin' ny faritr' i Amazonia. Tsy ahitana roka ny any amin' ny tany efitra sy, amin' ny ankapobeny, any amin' ny faritra tsy misy zavamaniry (toy ny any amin' ny tendrombohitra avo).

Ny fanbjariana ho roka dia dingana biôsimika ahitana ny fiforonana vaovaon' ny akora ôrganika amin' ny alalan' ny fitomboan' ny haben' ny môlekiola sasany.

Ny fahafahan' ny roka mifanakalo singa ara-boajanahary sy ny fihasimbany miadana, dia manome ny fakan-javamaniry azôta sy fôsfôro ary ny otrikaina rehetra ilaina amin' ny fitomboan' ny zavamaniry. Ny roka, raha voalevin' ny vadi-bainga ao anaty tany na tsy mahazo rivotra (noho ny tondra-drano maharitra, ny fanindriana mafy ny tany, na ny fisian' ny zavatra manarona azy ka tsy ahafahan' ny rivotra miditra), dia simba izy ka mamoaka akora misy poizina sy etona metanina.

Jerero koa

[hanova | hanova ny fango]