Roimbazaha
Fiseho

Ny roimbazaha dia karazana zavamaniry trôpikaky mamony, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Karazana hazomadinika maniry avy any India izy io. Ity karazana ity dia antsoina indraindray hoe kasia. Biancaea decapetala (na Caesalpinia sepiaria teo aloha) ny anarany ara-tsiansa. Karazana hazomadinika misy tsilo sy mamony voninkazo mavo izy io.
Anarana ara-tsiansa
[hanova | hanova ny fango]Ireto ny anarany ara-tsiansa hafa ahafantarana azy:
- Biancaea sepiaria (Roxb.) Tod.
- Caesalpinia sepiaria Roxb.
- Caesalpinia decapetala (Roth) Alston, 1931
- Caesalpinia decapetala var. japonica (Sieb. & Zucc.)
- Reichardia decapetala Roth
Karazana nampidirina
[hanova | hanova ny fango]Ny Biancaea decapetala dia nampidirina tany Fijy, Pôlinezia Frantsay, Hawaii, Kaledônia Vaovao, nosy Norfolk, Aostralia, Sina, Japôna, Kôrea, Indônezia, Malezia, Filipina, Tailandy, Vietnamy, Maorisy, La Réunion, Rodrigues, Kenià ary Afrika Atsimo. Lasa karazan-javamaniry manafika tena miteraka olana amin' ny toerana maro izy io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Roy - Roimemy - Roibe - Roibontsy - Roifantaka - Roimainty - Roimena - Rointsokina - Roipitaka