Robert Drury
I Robert Drury dia tantsambo anglisy tao amin' ny sambo Degrave izay rendrika tamin' ny faha-17 taonany teo amin' ny morontsirak' i Madagasikara. Voafandrika tao nandritra ny dimy ambin' ny folo taona izy tamin' ny taona 1701. Teraka tamin' ny taona 1687 tao London Borough of Tower Hamlets any Angletera izy ary maty teo anelanelan' ny taona 1743 sy 1750 tao London any Angletera. Rehefa niverina tany Angletera izy dia navoaka tamin' ny taona 1729 tamin' ny anarany ny boky iray lazaina fa mitantara ny fitadidiany. Na dia fahombazana teo noho eo aza no azon' izany dia nohadihadian' ny mpahay tantara tatỳ aoriana ny maha azo itokiana ilay boky. Ny manam-pahaizana ankehitriny dia nanaporofo fa maro ny antsipiriany ao amin' ilay boky izay tena izy ary ny tantara dia anisan' ny tantara tranainy indrindra voasoratra momba ny fiainana any tapany atsimon' i Madagasikara nandritra ny taonjato faha-18.
Tantaram-piainany
[hanova | hanova ny fango]Fiantombohan' ny fiainany sy ny sambo Degrave
[hanova | hanova ny fango]I Robert dia teraka tao Crutched Friars tao amin' ny faritr' i Tower Hamlets any London ary nifindra tany Old Jewry akaikin' i Cheapside, izay nitantanan' ny rainy tranom-bahiny antsoina hoe The King's Head. Teo amin' ny faha telo ambin' ny folo taonany izy dia niondrana an-tsambo ho any Bengaly any India ao amin' ny sambo Degrave, izay tonga tany tamin' ny volana Jona 1701.
Ny Degrave dia nandao ny seranan-tsambo tamin' ny Febroary 1701 ary tonga soa aman-tsara tany India efa-bolana taty aoriana. Tamin' ny fiverenana dia nikasi-tany ilay sambo teo akaikin' i Maorisy, ary voatery nandao ny sambo ny tantsambo tao amin' ny morontsraka atsimon' i Madagasikara, satria tsy tonga tany Cape of Good Hope. Noraisin' ny mpanjaka Antandroy atao hoe Andriankirindra ireo tantsambo ireo, saingy nikasa ny hitazona azy ireo ho babo mba izy hampitomboany ny toerana misy azy eo anivon' ny mpanjaka antandroy maro hafa.
Tao amin' ny Antandroy
[hanova | hanova ny fango]Nikasa handositra an' Andriankririndra hankany atsinanana ireo tantsambo babo ireo izay nanjakan' i Abraham Samuel, teratany mainty hoditra avy any Martinika, teo amin' ny foko Antanosy akaikin' i Fort-Dauphin ankehitriny. Afaka nandositra i John Benbow sy ny hafa, saingy tratra tamin' ny fomba feno habibiana sy novonoina tamin' io fikasana handositra io ny ankamaroan' ny tantsambo sisa tavela. Tanora roa, i Drury sy ny zanaky ny amiraly Benbow, no namindrana fo sy voasambotra indray. Avy eo dia nomena ny mpanjaka Andriamivaro ho andevony i Robert. Nijanona ho takalon' aina nandritra ny dimy ambin' ny folo taona eo ho eo izy roa ireo.
Lasa andevo tsy satry i Robert, nefa nisondrotran niala tamin' ny asa fambolena sy fiompiana tantely tamin' ny farany, ka lasa mpiandry omby, ary farany mpivaro-kenan' ny mpanjaka. Nijanona tao nandritra ny 10 taona izy. Tao anatin' ny taona vitsivitsy dia nipoaka ny ady tamin' ny Mahafaly, izay eo foko mpifanila tao andrefana. Narahin' ny ady an-trano teo amin' Andriamivaro sy ireo dadatoany sy ny zanak' olo-mpiray tam-po aminy izany, izay nahitana ny mpanjakaben' Androy. Nisy mpitondra teny avy amin' ny mpanjakan' ny Sakalava tao Fiherenana (ampahany amin' ny Fanjakan' i Menabe) nampitsahatra ilay ady an-trano tamin' ny fanolorana hevitra ny amin' ny hiara-manafika ny Mahafaly. Niresaka tamin' i Drury koa ity iraka ity, ka nandresy lahatra azy fa raha mandositra any Fiherenana izy dia hanampy azy hiondrana aùin' ny sambo britanika voalohany hitany.
Nandositra i Robert avy eo ary nialokaloka tao amin' Andrianafarana, mpanjaka antandroy mpifanandrina amin' Andriankririndra. Nandositra an' io mpanjaka io koa izy avy eo ary nandeha nianavaratra namakivaky ny tanin' ny Bara dia nahita an' i Onilahy ary nanaraka izany hatrany amin' ny helodranon' i Saint-Augustin, izay lasa tanànan' i Toliara any atsimo-andrefan' i Madagasikara ankehitriny, ary renivohitr' i Fiherenana.
Tany amin' ny morontsiraka andrefana
[hanova | hanova ny fango]Rehefa tonga tany amin' ny morontsiraka andrefana i Robert dia afaka nihaona sy nifanerasera tamin' ny vondrona mpandeha an-tsambo miafina mainty sy fotsy hoditra. Taorian' ny ady nifanaovan' ny tompony vaovao, ny Antandroy sy ny Mahafaly, dia voatery nitady fialofana tany avaratra kokoa i Drury, tamin' ity indray mitoraka ity tao amin' ny lapan' Andriamanetriarivo, mpanjakan' i Menabe malaza, rahalahin' Andriamandisoarivo ny mpanjakaben' i Boina. Ireo mpirahalahy roa ireo dia nanangana fanjakana izay nanapaka ny ampahany be amin' ny Nosy avy any amin' ny morontsiraka andrefana ka hatrany afovoan-tany.
Tamin' ny farany, tamin' ny alalan' ireo Eorôpeana izay namany vaovao, dia tonga tany amin-drainy ny vaovao, ary nangataka ny kapiteny atao hoe Mackett handeha ho any amorontsiraka ny rainy mba haka azy hiverina any Angletera amin' ny sambony atao hoe Masselage. Ny hividy andevo tany amin' ny Fanjakan' i Boina any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara anefa no tanjon' ity sambo ity. Tafaverina any Angletera tamin' ny 9 Septambra 1717.
Fiainana taty aoriana
[hanova | hanova ny fango]Rehefa tonga tany Angletera i Robert tamin' ny 9 Septambra 1717 taorian' ny enina ambin' ny folo taona dia indrisy fa efa maty ny ray aman-dreniny. Tsy dia fantatra loatra ny momba ny androm-piainany sisa. Lasa mpivarotra andevo izy ary niverina nanao izany teto Madagasikara. Voalaza ihany koa fa lasa jiolahin-tsambo koa izy taty aoriana amin' ny fotoana sasany. Maty tamin' ny taona 1735 izy ary nalevina tao amin' ny toram-pandevenana St Clement Danes in the Strand.
Niverina taty Madagasikara izy ary lasa mpivarotra andevo. Mety lasa jiolain-tsambo ihany koa izy amin' ny fotoana sasany. Tamin' ny farany, na dia fantatra ho mpibata entana tsotra tao amin' ny East India House (na Compagnie des Indes orientales) aza izy, dia voalaza ihany koa fa mpandeha ao amin' ny Old Tom’s Coffee House ao Birchin Lane izy, ka tao no nitantarany ny zava-niainany teto Madagasikara.
Maty tamin' ny taona 1735 izy ary nalevina tao amin' ny toram-pandevenana St Clement Danes in the Strand.
Ilay diary
[hanova | hanova ny fango]
Namoaka ny fahatsiarovany tamin' ny lohateny hoe Madagascar, or Robert Drury's Journal tamin' ny taona 1729 i Drury. Maro mpitia fatratra izy io tamin' izany fotoana izany ary nandalo fanontana fito mandraka amin' ny taona 1890. Nanomboka nitombo anefa ny ahiahy momba ny maha azo itokiana azy noho ny famerenany manoratra amin' ny fomba hafa ny ampahany be amin' ny Histoire de la grande isle de Madagascar nosoratan' i Étienne de Flacourt tamin' ny taona 1658.
Araka ny voalazan' i Anne Molet-Sauvaget, izay nandika izany tantara izany ho an' ny vondrom-pamoaham-boky L'Harmattan, ny diarin' i Robert Drury dia asasoratr' olona tsy fantatra anarana nataon' i Daniel Defoe. Na izany aza dia io no fijoroana vavolombelona anisany tranainy indrindra momba ny fiainana tany amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara tamin' ny taonjato faha-18.
Ankoatra izany, i Drury dia nanana mpanonta boky mitovy amin' ny an' i Daniel Defoe, ary hitan' ny mpandinika sasany fa mitovy ny fomba fanoratana. Maro ny manam-pahaizana manokana mahafantatra tsara ny faritra Androy sy Mahafaly izay resy lahatra fa ny fitantarana dia manaporofo fa manana fahalalana lalina momba ireo faritra ireo ny mpanoratra azy. Anisan' izy ireo:
- i Lotte Schomerus-Gernbock (1970), etnôlôga nipetraka nandritra ny taona maro tany amin' ny Mahafaly;
- i Raymond K. Kent, profesora momba ny taranja Tantara, tao amin' ny University of California, any Berkeley;
- ary i Mike Parker Pearson (1996), arkeôlôga ao amin' ny Sheffield University, izay naohana ny maha maha azo itokiana ny Diarin' i Drury.
Anisan' ny asa lehibe indrindra ny an' i Mike P. Pearson, izay nahita porofo arkeôlôjika manamarina ny ampahany maro amin' ny fitantaran' i Drury. Ireo zavatra hita ireo dia voalaza ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe In Search of the Red Slave.
Ny mpikaroka hafa dia nanatsoaka hevitra fa ny bokin' i Drury dia mifototra amin' ny ampahany amin' ny asan' i Flacourt sy ny mpanoratra hafa, fa indrindra amin' ny Diarin' i John Benbow, tantsambon' ny Degrave sady zanaky ny amiraly Benbow. Nandositra nankany Fort Dauphin i Benbow ary nandeha nosy niondraba tamin' ny sambo hôlandey; ny vitsivitsy sisa tavela tamin' ny tantsambon' i Degrave dia noraisin' ilay jiolahin-tsambo atao hoe John Halsey. Nanoratra ny zavatra niainany tanaty diary i Benbow, nefa very izany tamin' ny hain-trano tamin' ny taona 1714, izay mety ho efa nojeren' i Defoe.
Maty teo anelanelan' ny andiany fahatelo (1743) sy fahefatra (1750) tamin' ny diariny i Robert Drury.
Asasoratra
[hanova | hanova ny fango]- Madagascar: or Robert Drury's Journal during fifteen years captivity on that island, Londres, 1729
Fanovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Raymond K. Kent, From Madagascar to the Malagasy Republic, Greenwood Press, 1962. p.55-71, 285.
- François Angelier, Dictionnaire des Voyageurs et Explorateurs occidentaux, Pygmalion, 2011, p. 280