Hankany amin'ny vontoatiny

Roa ravin-tsimoka

Avy amin'i Wikipedia
Zanaka kinana mampiseho ravin-tsimoka roa

Ny zavamaniry roa ravin-tsimoka (Dicotyledonae na Dicotyledoneae) dia zavamaniry izay misy raviny roa antsoina hoe ravin-tsimoka na kôtiledôna amin' ireo andro voalohany aniriany. Ny Dicotyledonae dia zavamaniry mamony (Angiospermae) amin' ny fanasokajiana evôlisiônista. Tsy mitovy amin' ny zavamaniry tokan-dravin-tsimoka (Monocotyledonae na Monocotyledoneae) ny Dicotyledonae izay vondrona parafiletika satria tsy ao aminy avokoa ny taranaky ny razambe iraisany farany. Noho izany dia nolavin' ny kladista, izay tsy mampiasa io teny io, na mampiasa izany amin' ny filazana ny fananana ravin-tsimoka roa fotsiny. Miparitaka manerana ny ankamaroan' ny tontolo iainana eto an-tany ny Dicotyledoneae, izay ahitana karazan-javamaniry miisa manodidina ny 200 000.

Mitovy amin' ny ravina ny ravin-tsimoka nefa tsy tena ravina amin' ny hevitra embriôlôjikan' io teny io (tsy avy amin' ny tsimoka izy fa mivoaka mivantana avy amin' ny voa): rafitra fitehirizana izay iantombohan' ny fôtôsentezy amin' ny andro voalohany anirian' ny zavamaniry izany. Manjavona ihany izy io rehefa mivoaka ny tena ravina.