Rio Orogoay
Ny Reniranon'i Rio Orogoay dia renirano avy any Amerika Atsimo izay miainga avy amin'ny tandavan-tendrombohitra Serra Geral ary miforona avy amin'ny fihaonan'ny renirano Rio Canoas sy Rio Pelotas, amin'ny haavo 440 metatra, eo amin'ny sisin-tany misy ny fanjakan'i
Rio Grande do Sul sy
Santa Catarina. Ny loharanon'ny renirano dia avy amin'ny Reniranon'i Rio Pelotas, izay miainga eo amin'ny 65 kilometatra eo ho eo andrefan'ny morontsirak'i Atlantika.
Ny Reniranon'i Rio Orogoay dia mikoriana ao amin'ny Río de la Plata. Iray amin'ireo renirano manan-danja indrindra amin'ny hidrôgrafia any atsimon'i
Brazila izy io, izay sisin-tany eo anelanelan'io firenena io sy
Arjentina, ary eo anelanelan'i Arzantina sy
Orogoay. Salto sy Uruguaiana no tanàna lehibe indrindra ao Rio Grande do Sul izay voasasa amin'ny ranony.
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Uruguay River |