Ringotra
Ny ringotra dia taovam-pandrenesana hita ao amin' ny Arthropoda, indrindra ny Mandibulata (izay atao hoe Antennata koa), izay toa tandroka. Izy ireo dia miantoka ny fitsapana sy ny fitsiroana ary ny fanamboloana. Eny amin' ny loha no misy azy ireo. Ny ringotra dia mety tsy mivany na mivany roa. Manana ringotra roa ny Insecta sy ny Hexapoda hafa rehetra, ny Crustacea dia mety manana efatra mandeha tsiroaroa, ary tsy manana ny Arachnida.
Mifandray amin' ny ampahany voalohany na roa amin' ny lohan' ny Arthropoda ny ringotra. Miovaova be ny endriny nefa tsy maintsy tonony iray na maromaro mitambatra foana. Na dia taova natokana ho an' ny fandrenesana aza izy ireo dia tsy mitovy ny tena toetran' ny zavatra tsapany sy ny fomba fahatsapany izany ao amin' ny vondrona rehetra

Ny anjara asan' ny ringotra dia mety ahitana ny fitsapana, ny hetsiky ny rivotra, ny hafanana, ny fipararetra (feo), ary indrindra ny fofona na ny tsiro. Indraindray ny ringotra dia miova ho amin' ny tanjona hafa, toy ny firaisana, ny fikotrehana, ny lomano, ary na dia ny fifikiran' ny Arthropoda amin' ny tohana iray aza. Manana ringotra tsy mitovy amin' ny an' ny efa lehibe ny olitry ny Arthropoda. Maro, ohatra, ny Crustacea manana olitra izay mampiasa ny ringotra rehefa milomano. Ampiasaina koa ny ringotra mba hahafantarana ny toerana misy ny namana hafa ao amin' ny vondrona raha miaina ao anaty andiana ilay bibikely, toy ny vitsika.
Azo inoana fa nanana rafitra mitovy amin' ny ringotra tsoa-tokana (tsy misampantsampana) ny razambe iraisan' ny Arthropoda rehetra, arahin' ny rafitra mitovy amin' ny tongotra manana rantsana roa, araka ny hita amin' ny Crustacea sasany ankehitriny sy Trilobita fôsily. Manana ringotra efatra mandeha tsiroaroa ny Crustacea, fa manana ringora roa ny Arthropoda tsy anisan' ny Crustace rehetra, afa-tsy ny Chelicerata sy Protura, izay tsy manana.