Rinôserôsy somatrana
Fiseho

Ny rinôserôsy somatrana dia karazana rinôserôsy mbola misy, ao amin' ny fianakaviana Rhinocerotidae, izay karazana rinôserôsy kely indrindra, sy manana volo be indrindra. Dicerorhinus sumatrensis ny anarany ara-tsiansa. Hita any amin' ny toerana avo be any Borneo sy Sumatra izy io. Noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany sy ny fihazana, dia nihena ny isan' izy ireo, ary lasa rinôserôsy faharoa atahorana ho lany tamingana indrindra izy ireo.
Misy karazany telo ny rinôserôsy somatrana: ny rinôserôsy somatrana (Dicerorhinus sumatrensis sumatrensis), ny rinôserôsy bôrneana (Dicerorhinus sumatrensis harrissoni) ary ny rinôserôsy somatrana tavaratra (Dicerorhinus sumatrensis lasiotis) izay mety ho lany tamingana.