Hankany amin'ny vontoatiny

Riakan-tendrombohitra

Avy amin'i Wikipedia
Riaka

Ny riakan-tendrombohitra na riaka dia singan-korian-drano avy eny an-tendrombohitra izay tsy manana fitosaka marin-toerana. Miovaova be ny habeny.

Korian-drano avy any an-tendrombohitra ny riaka, izay miavaka noho fisolampy sy ny fikoriana izay indraindray mitsitapitapy ary matetika mikorontana. Mizara ho faritra telo miavaka ny riaka: faritra iray anjakan' ny fikao-tany (kamory mpandray) sy faritra anjakan' ny fiampitan' ny dilatra (lakandrano fikorianana) ary faritra mampiadam-pandeha izay tsara ho an' ny fanangonana (ilay kitsoloha fanariana). Any an-tendrombohitra dia misy riaka manjary riana eny amin' ny ampahany amin' ny lalany raha mandalo havoana be vato sy misy hantsana. Matetika ny riaka toy izany dia mifarana any amin' ny riaka iray hafa, na any amin' ny renirano na ony lehibe kokoa, nefa afaka mivarina koa any amin' ny farihy na any an-dranomasina.

Any amin' ny faritra misy ranomandry dia mipoitra mivantana avy amin' ny ranomandry mitsonika ny riaka. Tsy hita ny sasany amin' izy ireo raha tsy amin' ny lohataona sy amin' ny fahavaratra mandritra ny fitsonihan' ny ranomandry izay mamelona azy ireo. Ireo no fizaran-taona maha ambony fitosqhan' izy ireo.

Mety hanana fitosahana ambany ny riaka kely sasany amin' ny fotoana atonony, saingy mihabe raha sendra oram-be maharitra, ka manjary mampidi-doza, mety hihoatra ny lalany ary hiteraka fahasimban-javatra na famoizana ain' olona mihitsy aza.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]