Rhinocerotidae

Ny Rhinocerotidae dia fianakaviam-biby manana kitron-tongotra tsiankasa, matevin-koditra, izay mbola misy karazany dimy mbola velona sy karazana efa lany tamingana maro. Ny roa amin' ny karazany mbola misy dia ao Afrika, ary telo any Azia Atsimo sy Atsimo Atsinanana.
Ny Rhinocerotidae dia anisan' ny biby ngeza indrindra sisa tavela: mihoatra ny antsasaky ny taonina ny lanjany rehefa lehibe. Mihinana zavamaniry izy ireo, ary manana atidoha kely 400–600 g raha ampitahaina amin' ny biby mampinono mitovy habe aminy, manana tandroka iray na roa, ary matevin-koditra 1,5–5 sm, hoditra miaro miforona avy amin' ny sosona kôlazenina.
Amin' ny ankapobeny dia mihinana ravinkazo izy ireo, na dia ahafahany mivelona amin' ny zavamaniry misy tsiraka kokoa aza ny fahafahany mampiotrika sakafo amin' ny tsinany, raha ilaina izany. Tsy sahala amin' ny Perissodactyla hafa, ny karazana rinôserôsy afrikana roa dia tsy manana nify eo faitra anoloana amin' ny vavany; miantehitra amin' ny molony ihany izy amin' ny fakany ny hanina hohaniny.
Tandindomin-doza avokoa ny karazana rehetra ao aminy ankehitriny.
Misy ny tetikasa fiarovana sy ny fampidirana indray ny rinôserôsy amin' ny toerana ahafahana manao izany. Tena ilaina amin' ny fandonahana ny nofon-tany izy ireo. Mety mirefy 4 m ny halavany, 1,50 hatramin' ny 2 m ny haavony, ary mahatratra 3 taonina eo ho eo ny lanjany. Izy ireo no biby mampinono lehibe indrindra eto an-tany ankehitriny aorian' ny elefanta. Avy amin' ny teny grika hoe rhinos ("orona") sy keras ("tandroka") ny teny hoe "rinôserôsy", satria misy tandroka iray na roa eo amin' ny orony, fa tsy eo amin' ny handriny, tsy toy ny biby mampinono manan-tandroka hafa.
Mitovy filaharana amin' ny soavaly sy tapira ny rinôserôsy (Perissodactyla) fa tsy amin' ny elefanta. Karazana dimy amin' izao fotoana izao no fantatra, izay anisan' ny vondron-karazana na sokajy efatra:
- ao Afrika :
- Ceratotherium simum, manana tandroka roa
- Diceros bicornis, manana tandroka roa
- any Azia :
- Dicerorhinus sumatrensis, manana tandroka roa,
- Rhinoceros sondaicus, manana tandroka tokana,
- Rhinoceros unicornis, manana tandroka tokana.
Ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny fianakaviana Rhinocerotidae dia tsy ahitana afa-tsy karazana efatra mbola velona:
- Ceratotherium (rinôserôsy fotsy),
- Diceros (rinôserôsy mainty),
- Dicerorhinus (rinôserôsy somatrana)
- Rhinoceros (rinôserôsy indiana sy rinôserôsy javaney).
Mizara telo ny karazana velona.
- Ny karazana afrikana roa, ny rinôserôsy fotsy sy ny rinôserôsy mainty, dia an' ny foko Dicerotini.
- Misy karazana Rhinocerotini roa velona, dia ny rinôserôsy indiana sy ny rinôserôsy javaney.
- Ny rinôserôsy somatrana no hany solontenan' ny Dicerorhinini mbola velona.
Ny rinôserôsy fotsy
[hanova | hanova ny fango]Misy zana-karazany roa ny rinôserôsy fotsy: ny rinôserôsy fotsy tatsimo (Ceratotherium simum simum) ary ny rinôserôsy fotsy tavaratra (Ceratotherium simum cottoni). Atahorana ho lany tamingana ny zana-karazana avaratra, ary izay rehetra fantatra dia mbola misy vavy roa anaty vala.
Ny rinôserôsy mainty
[hanova | hanova ny fango]Nofidina ny anarana hoe "rinôserôsy mainty" (Diceros bicornis) mba hanavahana io karazana io amin' ny rinôserôsy fotsy (Ceratotherium simum). Mety hampisafotofoto izany, satria tsy azo avahana amin' ny loko ireo karazany roa ireo izay samy volondavenona.
Misy zana-karazany efatra ny rinôserôsy mainty: ny zana-karazana tatsimo-afovoany (Diceros bicornis minor); ny zana-karazana tatsimo-andrefana (Diceros bicornis occidentalis); ny zana-karazana afrika tatsinanana (Diceros bicornis michaeli); ary ny zana-karazana afrikana tndrefana (Diceros bicornis longipes) izay nambara fa lany tamingana tamin' ny Nôvambra 2011.
Ny rinôserôsy indiana
[hanova | hanova ny fango]Ny rinôserôsy indiana (Rhinoceros unicornis) dia manana tandroka tokana 20 hatramin' ny 60 sm ny halavany. Saika mitovy amin’ ny rinôserôsy fotsy afrikana izy io. Ny hodiny matevina sy volontakatra manopy volafotsy dia miforitra eo amin’ ny sorony sy ny lamosiny ary ny vodiny, ka manome endrika ampinga.
Ny rinôserôsy javaney
[hanova | hanova ny fango]Ny rinôserôsy javaney (Rhinoceros sondaicus) dia iray amin' ny biby mampinono lehibe atahorana ho lany tamingana indrindra eran-tany. Araka ny vinavina tamin' ny taona 2015, dia eo amin' ny 60 eo ho eo sisa no tavela, any Java, Indônezia, any anaty ala avokoa. Manana tandroka tokana izy. Ny rinôserôsy javaney fantatra farany tany Vietnamy dia voalaza fa novonoin' n' ny mpihaza vietnamiana noho ny tandrony tamin' ny 2011. I Java ihany no misy ny rinôserôsy javaney farany.
Ny rinôserôsy somatrana
[hanova | hanova ny fango]Ny rinôserôsy somatrana (Dicerorhinus sumatrensis) no karazana rinôserôsy kely indrindra, sy manana volo be indrindra. Hita any amin' ny toerana avo be any Borneo sy Sumatra izy io. Noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany sy ny fihazana, dia nihena ny isan' izy ireo, ary lasa rinôserôsy faharoa atahorana ho lany tamingana indrindra izy ireo.
Misy karazany telo ny rinôserôsy somatrana: ny rinôserôsy somatrana (Dicerorhinus sumatrensis sumatrensis), ny rinôserôsy bôrneana (Dicerorhinus sumatrensis harrissoni) ary ny rinôserôsy somatrana tavaratra (Dicerorhinus sumatrensis lasiotis) izay mety ho lany tamingana.