Rhamphicarpa fistulosa

Ny Rhamphicarpa fistulosa dia karazan-javamaniry mamony, roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Orobanchaceae (na Scrophulariaceae taloha). Zavamaniry katsentsitra teratany aty Afrika izy io. Ity karazana katsentsitra ity dia miparitaka aty Afrika atsimon' i Sahara ary mety hiteraka fahavoazana lehibe amin' ny voly vary (hatramin' ny 60 % any Benino). Atao hoe angamay izy io amin' ny teny malagasy nefa tsy io ihany ny zavamaniry antsoina amin' io anarana io.
Anarana ara-tsiansa
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny anarana ara-tsiansa iantsoana io zavamaniry io:
- Rhamphicarpa fistulosa (Hochst.) Benth.
- Macrosiphon fistulosus Hochst.
- Buchnera longiflora Arn.
- Rhamphicarpa longiflora Benth.
Mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Toetrany sy faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]
Maitso hatsatra ny lokon' ilay zavamaniry saingy mety manopy mena rehefa lehibe. Miendrika fanjaitra ny raviny ary mamorona vondrom-pelambony miendrika fantsona lava ny voniny fotsy. Misokatra aorian' ny filentehan' ny masoandro ny voniny ary lazaina fa ny lolo mandeha alina no miantoka ny famindrana ny vovoboniny.
Miely amin' ny toerana miadasika aty Afrika ity zavamaniry ity (avy any Ginea ka hatraty Madagasikara ary avy any Sodàna ka hatrany Afrika Atsimo) ary hita any Ginea Vaovao sy any amin' ny tapany avaratr' i Aostralia ihany koa.
Zavamaniry katsentsitra
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry ahitra maniry isan-taona sady katsentsitra ny Rhamphicarpa fistulosa. Karazan-javamaniry tena miely patrana any amin' ny tany mando tondraky ny ranon' orana amin' ny fizaran,-taona sasany aty Afrika trôpikaly sy sobtrôpikaly izy io, ary mety lasa ahidratsy sy katsentsitra eny amin' ny tanimbary miandry orana any amin' ny tany lempona aty Afrika, izay miteraka fahaverezam-bokatra mihoatra ny 60 % matetika.

Olana lehibe amin' ny tanimbary iharan' ny tondra-drano mandalo sy tsy voara-maso ny fisian' ity zavamaniry ity. Voafetra ny paikady iadiana amin' ny Rhamphicarpa fistulosa: ny fanesorana azy io amin' ny tanana, ny fanondrahan-drano maharitra, ny fampiasana zezika ary ny fampiasana poizina mamono ahitra dia fantatra amin' izao fotoana izao fa fomba iadiana mahomby enti-miady aminy. Ankoatra izay dia hita tato ho ato ny kinovam-bary maro izay mamokatra be sy mahatohitra ary mahazaka an' io ahidratsy io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Rhamphicarpa
- Angamay (teny maro heviny)