Revôlisiôna Maitso

Ny Revôlisiona Maitso, izay antsoina indraindray hoe Revolisiona Fahatelon' ny Fambolena, dia pôlitikan' ny fanovana ny fambolena mifototra indrindra amin' ny fanamafisana sy ny fampiasana karazana voamadinika manana vokatra avo lenta.
Ity pôlitika ity dia manambatra singa telo:
- karazana voafantina ahazoana vokatra avo lenta;
- iditra, izay zezika na vokatra momba ny fahasalaman' ny zavamaniry;
- ny maha zava-dehibe ny fanondrahana.
Ny teny hoe "Revôlisiôna Maitso" dia manondro ny fiakaran' ny teknôlôjia niainan' ny fambolena nandritra ny vanim-potoana 1960-1990, taorian' ny finiavana pôlitika sy indostrialy, mifototra amin' ny fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknika natao teo amin' ny sehatry ny simia sy ny milina fambolena nandritra ny Ady Lehibe Voalohany ary nitohy nandritra ny vanim-potoana teo anelanelan' ny ady lehibe roa. Lasa azo natao ihany koa izany tamin' ny alalan' ny fampivoarana ireo orinasa mpamokatra masombolin' ny karazana vaovao mamokatra be (matetika safiotra), indrindra fa ny voamadinika (varimbazaha sy vary), noho ny fifantenana karazana. Ny fampiasana zezika mineraly sy ny momba ny fahasalaman' ny zavamaniry, ny fampiasana mekanika ary ny fanondrahana dia nandray anjara tamin' ny Revôlisiôna Maitso.
Niteraka fisondrotan' ny vokatra ara-pambolena izany, na dia sarotra aza ny manombatombana izany fitomboana izany. Voalaza fa nahavita nisoroka ny mosary izy io, ka niteraka fitomboana tsy nisy toy izany teo amin' ny mponina eran-tany nanomboka tamin' ny taompolo 1960.
Izany ihany koa no anton' ny fandotoana miely patrana amin' ny alalan' ny poizina famonoana bibikely, miely patrana toy izany koa ny fampivangongoana otrikaina, ary koa ny fahaverezana karazan-javamananaina be dia be miaraka amin' ny fahapotehan' ny tany sy ny fikao-tany, ny fihamasira ary ny fahaverezan' ny tahirin-drano ambanin' ny tany. Vokany ihany koa ny fifindra-monina avy any ambanivohitra sy ny fisehon' ny tanàna tsy zarizary an-drenivohitra.
Ny fitohizana, ny fivoarana mankany amin' ny fambolena maharitra kokoa na hafa, dia hita ao amin' ny agrôekôlôjia, izay ahafahana manambatra ny fahalalana sy ny fanao momba ny ekôlôjia amin' ny teknika agrônômika, miaraka amin' ny tanjona hamorona rafitra famokarana maharitra kokoa.