Niger (ony)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Renirano Nijera)
Ny ony Niger

I Niger, na Djoliba amin’ ny teny mandinga, dia ony any Afrika Andrefana, fahatelo lava indrindra ao amin' io kôntinenta io (4 180 km), aorian' i Nily sy i Congo. Mahatratra 2 117 700 km2 ny sahan-dranony. Miakatra eo anelanelan' i Siera Leôna sy i Ginea amin' ny haavo 800 m eo am-pototr' ireo tendrombohitra Tingi izy io, ka, aorian' ny fihodinana lehibe amin' ny sisin-tanin' i Sahara Andrefana, dia mivarina mankany amin' ny Ranomasimbe Atlantika, any Nizerià. Miampita na manamorona firenena enina (Siera Leôna, Ginea, Maly, Nizera, Benîno ary Nizerià) ny lalan' io ony io, ary avy amin’ ny anarany ny anaran' ny firenena roa Nizera sy Nizerià.

Sahan-drano[hanova | hanova ny fango]

Sahan-dranon' ny ony Niger

Eo am-pototr’ ireo tendrombohitra Tingi no misy ny loharanon’ ny ony Niger, eo amin’ ny sisin-tany manasaraka an’ i Siera Leôna sy i Ginea. Mizotra mianavaratra-atsinanana izy, miampita an' i Ginea sy ny tapany atsimon' i Malỳ izay, rehefa avy niampita an' i Bamako, dia mandray ny ranon’ i Bani, izay avy any Kôtidivoara. Mandalo folo km eo ho eo atsimon' i Tombouctou izy, avy eo dia manondraka an' i Gao.

Eo anelanelan' i KéMacina sy i Tombouctou dia miitatra mankany amin' ny tany lemaka midadasika efa ho 40 000 km2 rehefa tonga amin’ ny fara-fahabeny ny tondra-drano, ao amin' ilay antsoina hoe "hefaka anatin' i Niger", izay mampihena ny fikorianan' ny rano. Very eo anelanelan' ny 25 %  ka hatramin' ny 50 % ny ranony ao, indrindra amin’ ny alalan’ ny fietonana.

Avy eo dia mianatsimo-atsinanana, mamakivaky ny andrefan' i Nizera, anisan' izany i Niamey renivohitra, mamakivaky ny sisin-tany manasaraka an’ i Nizera sy i Benîno, avy eo i Nizerià izay iodinany mianatsimo hatrany, mankany amin' ny Hefak’ i Niger be heniheny. Alohan' ny hivarinany ao Atlantika ao Port Harcourt aorian' ny fikorianana mirefy 4 184 km, dia raisiny ao Lokoja eo amin' ny sisiny havia ny sakeliny lehibe indrindra, dia i Bénoué, avy any Kamerona, izay mampitombo avo roa heny ny fikorianan' ny rano alohan' ilay hefaka an-dranomasina.

Na dia eo kely aza ny fanovan’ ny asan' ny olombelona io ony io dia iray amin' ny ony (toa an' i Sénégal) izay nivoatra be nanomboka tamin' ny taona 1980 ny ony Niger, noho ny fihamafisan’ ny hain-tany. Amin' ny alalan' ny Autorité du Bassin du Niger (ABN), fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin' ny firenena sivy izay mizara ny sahan-dranony (1980), sy ny fananganana ny Office du Niger (1932), ity ony ity dia tena zava-dehibe inkinan’ ny fambolena sy ny famokarana herin’ aratra. Ny fanajariana ny tohodrano (ny tohodrano mamokatra aratra an' i Sélingué sy ny an' i Kainji) dia mikendry ny hanalana ny firenena afrikana amin’ ny fiankinan-doha amin' ny angovo (herin’ aratra avy amin’ ny rano) sy amin’ ny voamadinika (fitarihan-drano hanondrahana tanimbary).

Nanao sonia ny satan' ny sahan-dranon’ i Niger ny firenena mpikambana ao amin' ny Autorité du bassin du Niger, tao Niamey tamin' ny 30 Avrily 2008. Ity sata ity dia mahakasika ny asa rehetra natokana ho an' ny fahalalana, ny fitantanana, ny fitehirizana, ny fiarovana, ny fanentanana ary ny fampiasana ny rano ao amin’ ilay sahan-drano sady mihatra amin' ny ony Niger sy amin’ ny sakeli-dranony ary ny zana-tsakeli-drano sy ny fitsinjarany.

Sakeli-drano[hanova | hanova ny fango]

Ny lalan' ilay ony dia azo zaraina ho vondrona efatra:

  • mandray rano avy amin' ny renirano Tinkisso sy Niandan sy Milo ary Sankarani i Niger Ambony;
  • ny hefaka afovoan' i Niger dia tondrahan' i Bani;
  • i Niger Antenatenany dia mandray rano avy amin' ny sakelidrano Gorouol, Dargol, Sirba, Tapoa, Goroubi, Diamangou, Mékrou, Alibori ary Sota. I Azawagh kosa dia sakelidrano milevina;
  • ny sakelidrano lehiben’ i Niger Ambany dia i Sokoto, i Kaduna ary i Bénoué.

Tanàna lehibe tondrahany[hanova | hanova ny fango]

Ny ony Niger ao Koulikoro (Malỳ).

Avy any ambony ka hatrany ambany, ireto tanàna manaraka ireto dia tondrahan’ ny ony Niger: i Faranah, i Kouroussa ary i Siguiri (ao Ginea), i Bamako (renivohitr' i Malỳ), i Koulikoro, i Ségou, i Djenné, i Mopti, i Niafunké, i Gao, i Tillabéri, i Niamey, i Kollo, i Say, i Gaya, i Malanville, i Onitsha ary i Port Harcourt.